Ministra sy ministra lefitra – Vaky tanteraka ny ady ao amin’ny tontolo iainana ao

Isambilo

Vaky tanteraka ny ady amin’izao fotoana ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana ao, ny marimarina kokoa eo amin’ny ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Baomiavotse Raharinirina, sy ny ministra lefitra misahana ny fandrakofana ala eto amintsika Haingosoa Hortencia A.

Nangataka tamin’ny ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny ministra lefitra misahana ny fandrakofana ala, ny hanohanana ny volan’ny ministera tsy havoaka. Misy antony matoa nanao izany ity ministra lefitra ity, iaraha-mahalala ny kiantranoantrano misy ao amin’ny ministeran’i Baomiavotse Raharinirina ity, eo koa ny raharaha tsy mazava tamin’ny nahamay ny ONE, sy ny CNRE farany teo. Efa hitam-poko hitam-pirenena ihany koa aloha, fa tsy mifanaraka ireo ministra roa vavy ireo.

Tsara ho marihina fa tsy aferan’izy roa vavy irery anefa ny resaka tontolo iainana, fa an’ny Malagasy manontolo mihitsy, indrindra amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao. Ny nanendry azy ireo mihitsy no nanaotao foana dia ny filoha Rajoelina, sy ny Praiministra Ntsay, efa hita fa vanja sy afo dia mbola ampiraisina ao ihany. Ny mety dia izy rehetra mihitsy no tokony hiala, na ny mpanendry, na ireo notendrena.