Ministra Patrick Rajoelina – Polisy mandositra depiote

Ny Valosoa

Efa fomba fanao isaky ny fivoriana ara-potoan’ireo fahefana mpanao lalàna, ny fifanatrehana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka dia ny governemanta izany, sy ny fahefana mpanao lalàna dia ireo solombavambahoaka sy loholona. Efa voalahatra mialoha ny fotoana hihaonana ary samy mahafantatra ny tetiandro voatondro ny fahefana andaniny sy ny ankilany, noho izany dia tokony efa samy handamina mialoha ny fandaharampotoanany ny tsirairay.

Anio Alakamisy 02 Desambra 2021 sy rahampitso Zoma 03 Desambra 2021 no hifanatrika eny amin’ny “C C Ivato” ireo solombavambahoaka tarihan’ny Filohany, sy ireo minisitra tarihan’ny Praminisitra, marihina fa nozaraina roa ireo solombavambahoaka, ka ny laharana 01 hatramin’ny 75 no ho tonga amin’ny anio, fa ny laharana 76 hatramin’ny 151 kosa dia rahampitso no anjaran’izy ireo. Raha ny tokony ho izy dia ny governemanta iray manontolo tsy misy banga no tokony hihaona amin’ireo depiote, saingy fantatra izao fa tsy hanatrika izany fihaonana lehibe izany Ingahy Rajoelina Patrick, minisitra miadidy ny raharahambahiny, satria mbola any ivelany mamita iraka hono.

Efa iaraha-mahalala fa tsy mahay ny tenindrazany ity minisitra ity, ka azo an-tsaina fa tsy hahavita hiresaka amin’ireo depiote amin’ny teny malagasy dia naleony mifitsaka any ivelany aloha, satria sarotra ho azy ny hitafatafa amin’ny teny frantsay, sady tsy fomba fanao koa izany satria governemanta malagasy sy Antenimierampirenena malagasy no hifanatrika ary eto Madagasikara no hihaona, fa ny azo antoka amin’ny fotoana izay ifanatrehan’ny governemanta malagasy sy ny Antenimierandoholona malagasy dia efa eto an-tanindrazana Ingahy Minisitra ary tsy hanahirana azy ny handray fitenenana sy hitafa amin’ireo loholona amin’ny teny frantsay, satria ny ao Anosikely dia olon’ny fitondrana zato isanjato izy 18 mianadahy, izay tsy ho sarotiny amin’ny fanomezan-danja na tsia ny tenindrazana, fa any amin’ny Antenimierampirenena kosa dia ho sarotra izany hoe tsy hiteny malagasy izany, satria ireo depiote mpanohitra dia saropiaro tanteraka amin’ny fanomezan-kasina ny tenindrazana, fa ny olana izay tsy azo amaivanina ihany koa raha, hanao kabary sy fanazavana amin’ny teny frantsay Ingahy Minisitra manoloana ireo depiote, dia mety ho maro ihany koa ireo depiote mety tsy mahafehy ny teny frantsay.
Ny antontaratasy mirakitra ny tatitra izay ataon’ ireo minisitra isanisany dia azo antoka fa voasoratra amin’ny teny frantsay, ka ny tanjon’ireo minisitra ireo dia ny hahavitsy ny fanontaniana ho valiana, satria fantatr’ireo minisitra tsara fa tsy hahavaky manontolo ny antontataratasy ireo depiote, ka na nahavaky aza maro ireo tsy hahazo izay voasoratra ao, dia tsy maintsy hifitsaka sy hikombom-bava mandritra ny fifanatrehana.

Fahafahambaraka ho an’ny firenena sady henatra ho an’ny mpanendry ny fisian’ny minisitra tendrena tsy mahay miteny malagasy, kanefa raha izany henatr’olona izany aloha dia azo lazaina ho efa tsy mandaitra amin’ ireo mpitondra intsony, Ingahy Filoha moa dia sady tsy mahafehy ny tenindrazana no sady tsy dia azo lazaina ho havanana amin’ny teny vahiny, tsy mahagaga raha tsy tanteraka hatramin’izao ny fanamby nataony tamin’ny volana Janoary 2020, izay nilazany fa vonona hono izy hitafatafa matetika amin’ny mpanao gazety malagasy, efa volana desambra 2021 izao, tsy nisy ilay fihaonana fa dia navilivily amin’ny “demokr’ankizy” ny resaka, ka asa na mety hihaona amin’ny “antenimieran’ankizy” koa Ingahy minisitra tsy mahay teny malagasy, hanao tatitra momba ny fifandraisana iraisampirenena, amin’izay fihaonana izay dia ireo ankizy tsy mahay ny tenindrazany no antsoina hihaino ny tatitra.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana f’Ingahy minisitra dia mpitandro filaminana no asany taloha tany Frantsa, kanefa dia mampalahelo fa polisy tsy sahy mifanatrika amin’ireo depiote malagasy ity izy.