EDITO 4 Desambra – Fitsarana mitondra solomaso miloko…

Sôh’son

Nambaran’ny fitsarana fa nanala-baraka fitondrana ilay mpiasan’ny fahasalamana, namaky bantsilana ny zavatra tsy ara-dalàna nitranga tao amin’ny minisitera niasany. Niteraka adihevitra be izany satria ny fijery iray dia nametra-panontaniana ny amin’ny hoe, raha ny fitondrana na ny olona eo amin’ny fitondrana kosa no manala baraka firenena dia inona no ambaran’ny fitsarana? Efa nisy tranga toy izany nanjo ny firenena.

Raha tsiahivina ny tantara, ary tsy fanadino, ny zava-nitranga tany amin’ny Firenena Mikambana tamin’ny niandohan’ny tetezamita, ka nisosososo nandeha tany i Andry Rajoelina rehefa teo amin’ny fitondrana avy nanongam-panjakana. Nihifika avokoa ny olom-pirenena nahita sy nandre ny fandroahan’ireo filoham-panjakana mpikambana nandroaka azy hivoaka ny toeram-pivoariana, satria « sans qualité » izy tamin’izay fotoana izay. Izy afa-baraka nivoaka ny teoram-pivoarian’ny Firenena Mikambana, azy ny azy iny, fa ilay firenena malagasy mihitsy no afa-baraka tanteraka, very hasina. Moa izany ve tsy tokony ho ambaran’ny fitsarana? Nisy fotoana ihany koa nahamenatra amin’ny firenen-kafa mihitsy, ny fihetsiky ny mpitondra tao anaty tetezamita ihany, fa nojerem-potsiny, ny vahoaka voatampim-bava tsy afaka miteny. Tantara mipetraka ireny.

Ny tranga vao haingana izao, dia ilay nasehon’ny haino aman-jery nitranga tatsy amin’ny Nosy La Réunion. Ilay nisian’ny tranga mahamenatra mihitsy sy mampanongo tena. Ny fisian’ny hira nifandiso raha saika hanao ny hiram-pirenena malagasy kinanjo hira hafa « Madagasikara, tanindrazanay, Nosy sarobidy sy masina tokoa, … » no nandeha. Nanatrika izany ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy kanefa tsy nahitana fihetsika naneho fa diso izany ka tokony ho novaina haingana. Taiza no mbola nisy tranga toy izany? Na any ambanivohitra lavitr’andriana aza tsy ahitana izany tranga izany rehefa handefa hiram-pirenena. Fahadisoana izany ary manàla baraka. Misy olona tokony hosazian’ny fitsarana.

Mila manana fijery mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana, fa tsy mitondra solomaso miloko,… mba hampiverina ny hasiny eo imasom-bahoaka sy fitokisana azy. Tsy hampitraka ny firenena velively ny fanaovana tany avo avaratra na fijery mitanila. Ankehitriny izao efa manahy tanteraka ny ho fihetsiky ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’ny fifidianana ho avy sahady ny olom-pirenena sy antoko politika maro samihafa. Tsy nisy olom-pirenena faly sy nanana fanantenana nijery ny sarin’ireo olom-boatendry, ho amin’ny Ceni na tamin’ny gazety na tamin’ny fahitalavitra. Ny olona akaiky azy ireo ihany angamba no faly fa voatendry izy ireo. Ny antony, hitovy tamin’ny teo aloha ihany ny ho fomba fiasany, ary ho ratsy kokoa aza raha araka ny hevitry ny mpanohitra. Tsy hitondra soa ho an’ny firenena araka izany ny zava-misy eo amin’ny seha-pitsarana ity raha hitohy izany.