Distrika azo lazaina ho mitoka-monina – 70 Ar monja ny kilao ny letchis any Ikongo

Niaina

Distrika azo lazaina ho mitoka-monina ny distrikan’Ikongo, noho izay antony izay, tsy tafavoaka araka ny tokony ho izy ny vokatra any an-toerana, na vokatra amidy eto an-toerana izany, na vokatra aondrana any ivelany koa.

Toy izany ny mahazo ny vokatra letchis amin’izao fotoana any Ikongo, ambany ny vidiny, satria 70 Ar monja ny 1 kg. Noho ny haratsian’ny lalana dia 70 Ar ny kilo ny letchis an’Ikongo na dia tsara kalitao aza.

Efa an-taonany maro no tsy nisy taxi-brousse niasa intsony any. Raha ny fiaran-dalamby indray dia mahalana. Araka ny nambaran’ny depiote voafidy tany amin’ity distrika ity, Razafitsiandraofa Brunelle anefa, tsy mbola hita soritra tamin’ny tetibolam-panjakana lany teo ny hanamboarana ny lalana any an-toerana, lalana mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo.