RMDM, sabotsy 4 desambra – Miantso ny Malagasy hifanome tanana amin’i Farafangana

Helisoa

Na antoko mpanohitra aza ny RMDM dia tsy mijanona fotsiny amin’ny maha ivelan’ny fitondràna azy, fa mahatsapa koa fa manana adidy amin’ny fijerena ny olana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana aminy. Hita izany nandritra ny fitondràna fanomezana ho an’ireo havana tratry ny kere tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Ankehitriny, misy ireo Malagasy mpiray tanindrazana tratry ny haintrano mahatsiravina tany Farafangana faritra Atsimo Atsinanana. Maro amin’izy ireo no potika tanteraka ny fananany, tsy manana hosarangotina. Noho izany, hisy ny tolotanana hataon’ny RMDM ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny 4 desambra 2021 ho avy izao, araka ny valandresaka nataon’ireo fikambanana mandrafitra ny RMDM tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM omaly. Io dia hiantsoana ny olom-pirenena tsy ankanavaka, izay mahatsiaro tena, fa zavadehibe ny fifanampiana eo amin’ny samy Malagasy hoy ny mpitondra teny Ramatoa Petera Soa, mpitarika ny RMDM any Manakara faritra Fitovinany, izay tonga eto Antananarivo. Miantso ny terak’i Farafangana monina eto Antananarivo ihany koa ny tenany, satria ny hafa aza manampy, koa mainka fa ny samy mpiray tanindrazana.

Fanombohan’ny fifanomezan-tanana ny 4 desambra ho avy izao. Tsy hijanona amin’io fotsiny ny RMDM, fa hijery ny Malagasy manontolo. Hatao ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fanampiana izay azo amin’io fotoana io, hoy ny mpitarika ny vehivavy TIM Analamanga Rahelisoa Arphine; ka afaka mitondra izay voatsirambin’ny tanany avokoa ny rehetra toy ny vary na vola na fitafiana sns… Nitaona ny vehivavy TIM ihany koa ny tenany na ireo tsy ao anatin’ny antoko koa, satria isika vehivavy hoy izy no tena mahatsapa ny fahasahiranana misy eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Maharary isika hoy izy mahita ny mpiray tanindrazana amintsika tratry ny fahasahirana, ka andao hifanome tanana.

Ny vehivavy RMDM avy any Toliara Christelle Viera sy ny tanora RMDM eto Analamanga Robert dia nanamafy ny fitaomana ny olona handray anjara amin’ny fifanomezan-tanana ny sabotsy 4 desambra ho avy izao ao amin’ny Magro Behiririka io, izay hanomboka amin’ny 9 ora maraina.