Fameloma-maso ny TIM, Magro Behoririka – Hiara-hihetsika ny Boriboritany enina anio

Isambilo

Hanatanteraka ny fameloma-maso, na redynamisation ny antoko TIM amin’ny Boriboritany miisa 6 eto an-drenivohitra anio, ireo mpitarika sy ny mpikatroka ary ny olona tsy ankanavaka liana amin’ity antoko ity eto Antananarivo. Etsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka no hanatanterahana izany fanabeazam-boho sy fameloma-maso ary fanetsehana ny fototry ny antoko TIM izany amin’ity anio ity.

Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny hanomboka aminy 9 ora maraina izany, izay famaranana koa ny redynamisation ny antoko TIM amin’ny Boriboritany miisa 6 eto Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny hetsika fameloma-maso isaky ny Boriboritany nialohan’izao, notarihan’ireo depiote sy ireo Dis-TIM teto an-drenivohitra, ka etsy amin’ny kianjan’ny Finoana no handravonana izay efa vita nandritra izany fanetsiketsehana ao anivon’ny antoko izany.

Hanatrika ny fotoana ny avy amin’ny Birao Politika Nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara.