Hetsika Miara-Manonja tany La Réunion – Nandositra toy ny akoholahy fataka ny ministra Patrick Rajoelina

Niaina

Hetsika Miara-manonja tany amin’ny Nosy La Réunion, nandositra toy ny akoholahy fataka i Patrick Rajoelina. Sora-baventy sy kiakiaka ary kiririoka mitory ny hatezerana sy ny alahelom-bahoaka, no nitsena ny ministra Vazaha Patrick Rajoelina, tao amin’ny Nosy La Réunion. Nandrasan’ny mpitolona « Miara-manonja » nanoloana ny Consulat ity minisitra ity, ka ora maro taorian’ny fotoana voatondro nidirany tao, vao nipoitra. Nandositra nirifatra haingana tao amin’ny trano misy ny Consulat ny fiara nitondra azy, fa tsy sahy nifanatri-tava tamin’ireto Malagasy « Miara-manonja ». Teo amin’ny 20 isa teo ireo mpitolona nanao ny fanamiana mena midorehitra, fa ireo mpanaraka mivantana ny zava-niseho tamin’ny tambazotra Facebook kosa dia an’arivony maro. Somary diso fanantenana ihany ireo mpitolona, satria araka ny voalaza tao amin’ny fampitana mivantana ny hetsika dia efa niomana izy ireo, ny hanolotra boky Lala sy Noro, mba hafahan’ity minisitra ity mianatra teny malagasy! « Henatra ho an’i Madagasikara ny fananana minisitra tsy mahay teny Malagasy », hoy ny voasoratra tamin’ny takelaka nolanjain’ireo mpitolona.

Nilaza ny iray tamin’ireo mpitolona hoe: « Maro ireo fanontaniana saika napetrakay tamin-dRajoelina Patrick, indrindra ny mikasika ireo mpianatra Malagasy nenjehiny tany amin’ny toby Cachan sy Arago, fony izy niasa ho an’ny Pôlisy frantsay fahiny. Mitoroka mpiray Tanindrazana no asa nampiandreketina azy tamin’izany. Efa ela io tantara mampalahelo io no niparitaka satria ireo mpianatra voaroaka avy any Frantsa dia tsy nitsitsy azy tsy nitsitsy azy teo anivon’ny tambazotra. Tsy mbola nandà ny nanaovany io asa ratsy famadihana Mpiray Tanindrazana tany dilam-bato io mihitsy Rajoelina Patrick, fa ompa sy eso-teny kosa no navaliny ireo mpianatra nanao ny ampamoaka sy namboraka ny karama kely noraisiny, tao amin’ny tambazotra Twitter. Anisan’ny latsa nosoratany ny tamin’ny 1 novambra 2013 ny hoe « Ry ilay voangory mahantra velona ity! Raha vola dia manana aho. Fa ialahy ve mba manana rano fisotro madio ao an-trano? Tsy mafy loatra ve ny fiainan’ialahy amin’ilay 2$ isan’andro monja ? » Tsy ny olona nifamaly aminy ihany no iantefan’izany latsa sy fanambaniana izany, fa ny vahoaka tra-pahasahiranana rehetra.