EDITO 27 Novambra – Voasambotra hono Arizaka Rabekoto Raoul – Miandry ny tohiny ny mpanara-baovao

Ny Valosoa

Nifandrombahan’ireo gazetin’ireo mpomba ny fitondrana ny namoaka ny vaovao, izay nilaza fa voasambotra tany Benin hono, ny filohan’ny Federasiona Malagasy momba ny baolina kitra (FMF) Arizaka Rabekoto Raoul, sady niniana natao teo amin’ny takila voalohany mihitsy, nanantitrantitra ireo namoaka ny vaovao fa atao hono izay ampodiana azy antanindrazana (extradition), ka ho tsaraina eto Madagasikara hono.

Dia ho hita eo raha tanteraka izany, satria efa betsaka ihany izay fanambarana navoakan’ny fitsarana izay, kanefa toa lasan-kovavany fotsiny fa tsy hita izay fahatanterahan’izay nambara, ohatra azo tsapain-tanana ny mikasika ilay raharaha volamena 73,5 Kg tratra tatsy Afrika Atsimo, efa ho herintaona izao no nisehoan’ny fanondranana antsokosoko, tsy mbola nisy tafody na izy telo lahy nampangaina, na ireo volamena nentin’izy ireo, izay nambara fa ho azo tsy ho ela, tamin’ny volana Janoary 2021 no nahenoina izany, hatramin’izao mbola Ambatobevohoka.

Marihina fa resaka fanodinkondinam-bola tao amin’ny “Cnaps”, fony izy Tale Jeneralin’ny Cnaps no anenjehana azy any amin’ny fitsarana, efa nivoaka ny didimpitsarana nanameloka ity Tale Jeneraly sady filohan’ny (Fmf) ity, nohelohin’ny fitsarana niaraka taminy koa ny Praiminisitra teo aloha dia ny Jeneraly Ravelonarivo Jean, kanefa ny nahavariana na dia na navoaka aza ny didy fanamelohana an’Ingahy Praiminisitra teo aloha, dia tsy nisy sahy nisambotra azy, ka tafaporitsaka ho azy tany ivelany izy. Efa ela ihany koa no nivoaka ny fanamelohana ny Filoha Rabekoto Arizaka Raoul, kanefa dia mbola afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny “Caf” soa amantsara izy ary tsy nisy olana sy arakaraka.

Voasambotra tany Benin hono ny Filoha Rabekoto Arizaka Raoul hoy ny vaovao naparitaka, mampieritreritra satria aoka tsy ho adinoina fa ny ekipampirenenan’i Benin eo amin’ny taranja baolina kitra no nandresy voalohany ny Barean’i Madagasikara teo Mahamasina, ry zareo Beninois no nahafaty hasina voalohany ny kianjan’i Mahamasina, ary tsiahivina fa taoriana kelin’ny nahatongavan’Ingahy Rajoelina avy any Frantsa io lalao io, ny mpanarabaovao rehetra dia samy nahatadidy ny vavabe nataon’Ingahy Filoha tamin’ny Filohan’ny Fmf teny Ivato, tsiahivina ihany koa fa ny Alarobia alina nialoha ny lalao natao ny Alakamisy dia mbola nampirevena teny amin’ny Lapan’Iavoloha ireo mpilalao malagasy, ka vizana ary tsy nahazo vokatra tsara, tsy nisy tsy nahalala fa ny filohampirenena dia tsy nankasitraka ny mpanazatra Eric Rabesandratana, izay notendren’ny Filohan’ny Fmf, ny vokatr’izany dia fahaverezan’ny hasin’ilay kianja, ka azo eritreretina hoe sao mba te hamaly fitia ny filohantsika ireo mpitondra any Benin. Fa ny “Fifa” koa mety tsy hitazampotsiny manoloana izao fihetsik’ireo mpitandro filaminana any Benin izao .

Efa tratra ny tanjona ny an’ireo mankahala ny Filoha Rabekoto Arizaka Raoul sy ny mpanazatra Eric Rabesandratana, satria efa tsy tafakatra ireo mpilalaontsika, fa ny mpilalao avy any Benin koa tsy tafakatra mitovy amintsika ihany.

Raharaha fanodikodinambola tao amin’ny Cnaps no nanenjehana ny filohan’ny “Fmf”, koa antenaina fa tsy hijanona ny fanadihadiana momba ny volan’ny “Cnaps” , anisan’izany ny mikasika ny volabe lany nomena an’i Nicolas Dupuis ilay mpanazatra teratany frantsay nesorina fa tsy namokatra, sy ny momba ny volan’ny “Cnaps” nalefa tao amin’ny Air Madagascar, ilay kaompania misahana ny fitaterana an’habakabaka izay reharehantsika malagasy, kanefa dia bankiropotra noho ny fanafaran’ny mpitondra tetezamitatra ireo Airbus roa izay fiaramanidina brokantera.

Ny mahatsikaiky amin’ny mpitondra eto amintsika, dia mendy amin’ny valala an-danitra ho asiana sira, f’ireo eto an-tanàna tokony horaisimpotsiny hodian-tsy hita toy ireo nividy “bonbons sucetttes” sy “écrans plats”.

Fa mikasika ny honohono amin’ny fisamborana ny filohan’ny “Fmf” dia ho avy tsy ho ela, sahala amin’ny volan’ny “Cnaps” ny marina momba io raharaha io.