Fanaovana savony – Nakarin’ny fitondrana 20% ny hetra amin’ny akora ilaina

Aly

Lany tao amin’ny Antenimierampirenena tamin’ity herinandro ity, ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy 2022. Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany ny fiakaran’ny hetra alaina amin’ireo akora fanamboarana savony, niakatra 20%. Ny dikan’izany, tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny vidin’ny vokatra savony vokatra eto an-toerana.

Raha ny fahitan’ny mpandraharaha mpanao savony eto amintsika an’izao, dia famonoana ny orinasa eto an-toerana izao ataon’ny fitondra Rajoelina izao. Famonoana ny mpanjifa ihany koa, satria tsy maintsy hanonga ny vidin’ny savony. Tena fanjakana tsy mitsinjo vahoaka, sy tsy mitsinjo ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny indostria izao fitondrana Rajoelina izao.

Efa misedra fahasahiranana momba ny resaka rano ny vahoaka amin’izao fotoana, mbola hiakatra koa ny vidin-tsavony, hisy fiantraikany amin’ny fanadiovana sy ny fidiovana eto amintsika izany.