TIM Boriboritany faha-4 – Midina ifotony manomana ny fameloma-maso ny antoko

Helisoa

Araka ny toromarika avy amin’ny birao politika nasionaly mikasika ny famelomamaso ny antoko TIM, na redynamisation, dia miainga eny amin’ny fototra ny hametrahana ny rafitra ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara manomboka izao.

Manoloana izany dia tontosa soa amantsara ny famelomamaso ny antoko Tiako i Madagasikara boriboritany faha-4, ho an’ny Fokontany Anosizato Andrefana sy Atsinanana ny faran’ny herinandro teo, fanetsehana ireo mpitarika eny ifotony. Nanatrika ny fotoana teny an-toerana ny solombavambahoaka Ramboasalama Emilien, sy ireo mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo ao amin’ny boriboritany faha-4, avy amin’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana.

Tafapetraka ireo rafitra ifotony ary nodinihana nandritra ny fivoriana ihany koa ireo paikady rehetra hitarihana ny vahoaka eny ifotony hanamafy hery ny antoko Tiako i MADAGASIKARA. Ny hametrahana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray no tanjona, ny firaisankina no hery, hoy ireo rehetra nandaha-teny nandritra izany.