Mpanolotsaina Monisipaly Lily Rafaralahy – Haitraitra sady tsy laharam-pahamehana ny teleferika

Stefa

Nandalo tao anivon’ny mpanolotsainan’ny Tanànan’Antananarivo (CUA) omaly, ny mahakasika ilay teleferika hatao eto an-drenivohitra hono. Naneho hevitra mahakasika izay ny Mpanolotsaina Monisipaly ao amin’ny CUA, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Lily Rafaralahy. Nambarany fa tsy izany velively no laharam-pahamehana raha ny zava-misy ankehitriny. Olona an’aliny, an’hetsiny, eny an-tapitrisany aza no efa midradradradra, tsy misy na dia izay ho arotsaka aza, amiko hoy izy ny laharam-pahamehana dia ny sosialim-bahoaka, ka tsy ho eken’ny saiko ny handany vola tena mihoa-pampana sy mihoatra ny mety, ho amina foto-drafitrasa izay tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka akory.

Ny fahendrena hoy ity mpanolotsaina ity dia mikolokolo izay efa an-tanana aloha, fa tsy hoe hodiana tsy hita ny olana be dia be ateraky ny faharatsian’ny lalana, na ny lalan-kely etsy sy eroa aza, tsy misy fanamboarana, efa nitaraina im-betsaka, fa tsy misy mpihaino, dia nefa volabe tsy hay isaina avy dia ho atontona amina zavatra tsy hamaha velively ny olan’ny fifamoivoizana akory.

Mazava loatra fa haingitraingitra io, amiko aza dia toa hambom-po diso toerana, ka ny fisehosehoana no zava-dehibe lavitra noho ny tena izy marina. Toy ny hoe manao akanjo lafo vidy be, mba ho tazan’ny olona hoe manan-katao, nefa vao tsy miainga dia ho safotry ny hanoanana, satria tsy manan-karotsaka akory any an-tokantrano any. Izay no sary handikako izao fanapahan-kevitra, kevokevoka hanao téléphérique izao, nefa ny fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy mitotongana any amin’ny farany ambany.

Raha ny vaovao farany voaray dia hataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina, amboletra ny hanaovana izany teleferika izany, na manaiky na tsy manaiky ny mpanolotsaina.