Fitondrana Rajoelina – Hividy fitaovam-piadiana nefa maro ny volan’olona tsy voaloa

Ny Valosoa

Maneho hevitra mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny mpanao gazety Fernand Cello, indrindra ny mahakasika ny tsy fahaizan’ny filoha Rajoelina izay laharam-pahamehan’ny vahoaka. Milaza ity mpanao gazety ity, fa hafa mihintsy ny laharam-pahamehana ho an-dRajoelina. Milaza hividy fitaovam-piadiana 448 miliara ariary ny filoha hoy izy, kanefa ny volan’ireo orinasa nampanaovina ny “Projet présidentiel ” hatramin’izao tsy voaloa, ny volan’ny orinasa sinoa nanao Kianja Barea ihany koa tsy voaefa.

nkoatran’izay, fantatra ihany koa izao, fa mpampianatra Ecd 720 ao amin’ny “Enseignement technique” manerana an’i Madagasikara no tsy nandray karama nanomboka ny volana janoary 2021, ka hatramin’izao. Niasa tsy tapaka anefa ireo olona ireo hoy Cello, nanomboka ny volana janoary ka hatramin’izao. Mamelom-bady aman-janaka sy misakafo isan’andro mitovy amin’ny ministra sy ny Filoha ihany. Efa tapitra nandehanan’ireo mpampianatra ireo daholo ny antanantohatra rehetra, fa tsy misy valinteny nahafapo, nangataka fihaonana tamin’ny minisitra izy ireo ary efa ela no napetraka fa tsy nisy valiny ny fangatahana ny karama izay.