Faritra Menabe – Misy vono olona feno habibiana miaro fakana maso

Jean Patrick R.

Raha nangingina ny resaka vono olona miendrika fangalana maso, sy fanapahan-doha tao aorian’ny fahatratrarana ny namono an’ilay mpampianatra nisotro ronono iny, niverina indray izany tamin’ity herin’andro ity, ka olona miisa 4 no niharan’ny famonoana feno habibiana ity: ny roa notapahan-doha tao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina ary ny roa nalana ny masony tao amin’ny kaominina Ankalalobe distrikan’i Belo ihany ny ray ary tao amin’ny distrikan’i Mahabo koa ny iray izay mbola velona moa ity farany, fa ny maso roa no efa tsy teo intsony araka ny fitantarany tamin’ny fianakaviana satria mbola afaka niresaka izy.

Ny harivan’ny talata 23 novembra izy nody avy namonjy fetim-pianakaviana tao Manamby dia nisy roa lahy nanaraka, ka rehefa hiditra ny Tanàna misy mangingina dia novelezin’ireto olon-dratsy tamin’ny kobay ny lohany ary nosintoniny niditra tany anaty ala, ka nalan’ireo olon-dratsy ny masony roa, mbola nahatsiaro tena izy, olona handeha hiasa an-tanimbary vao maraina no nahita azy ary nanao hazolava ka sendra nandalo koa ny Adjoint ny CE an’i Mahabo, izay mipetraka any ary fanaony ny mihazakazaka maraina, ka nandray andraikitra niantso ny vadiny izay chef CSB1 ao Manamby avy dia nandray an-tanana ny marary ary noho ny ratra mafy dia nentina tany amin’ny HOPITALY BE NAMAHORA ary efa manaraka fitsaboana izy izao.

Raha jerena ny zava-misy dia mampametra-panontaniana ny maro hoe: fa atao inona ilay maso ary maninona no tsy mety tratra mihintsy ireo mpanao ratsy nefa ny FIP amin’izao efa manao operation aty Menabe. Manoloana izany dia takian’ny olona ny hanavaozana tanteraka ireo mpitandro filaminana rehetra ato Menabe, satria raha ny zava-misy dia ny lehibe foana no soloina nefa ireo olom-peheziny dia efa misy ny ampolo-taona niasana tato Menabe, satria raha misy ny famindran-toerana dia ny ato amin’ny faritr’i Menabe ihany no mivadibadika eo. Takian’ny vahoaka ato Menabe ny mba tsy ho kinamanamana no hamindrana ireo mpiasam-panjakana sy ireo olom-boatendry ato Menabe, satria dia ato Menabe ihany no ahitana izany olom-boatendry iray tendrena hitazona toerana roa izany toy ny hoe olona iray ihany no tendrena ho SG ny region sady SG ny Prefektiora ary ao Belo sur Tsiribihina dia sady lefitry ny lehiben’ny distrika, no mbola CAA ihany koa.

Manoloana ny fitokonan’ny CAA izao moa dia ity lefitry ny distrika ity no manao ny asan’ny CAA ao amin’ny kaominina 15 ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina; manampy trotraka koa ny eo anivon’ny fitsarana, satria dia maro ireo tratra mamolo olona nefa rehefa tonga eo anatrehan’ny fitsarana dia toa afaka ny ankamaroany.

Velom-panontaniana ary ny vahoaka aty Menabe hoe tsy mahita vahaolana mihintsy ve ny fitondram-panjakana manoloana ity trangana vono olona ity.