Antananambo Toamasina II – Nisy nandoro ny tanànan’ny Amiraly Ratsiraka

Niaina

Anisan’ny afo niseho omaly teto amintsika koa ny nitranga tany amin’ny fokontanin’Antananambo, kaominina Fanandrahana, distrikan’i Toamasina faha-II, faritra Atsinanana, amin’ny lalampirenena faharoa iny. Nisy nandoro tamin’izany ny tany sy ny tanànan’ny Amiraly Didier Ratsiraka amin’izany toerana izany.

Afo tsy fanta-piaviana no niainga avy ao andrefana avaratry ny toeram-ponenan’ny Filoham-pirenena teo aloha ny Amiraly Didier RATSIRAKA tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina avy ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina, sy ireo fokonolona manodidina, satria nahiana ny niampitan’ny afo tamin’ny tanànan’i Tanambao, lalam-pirenena faha-2 iny ihany.