Tontolo iainana – May koa ny CNRE eny Tsimbazaza

Stefa

Misy tsy milamina ny eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo ainana eto amintsika, izay miankina amin’ny fanjakana. Fantatra izao fa may koa ny biraon’ny CNRE, na ny Centre National de Recherche sur l’Environnement eny tsimbazaza. Tao aorian’ny naha-may ny ONE eny Antaninarenina, izao may izao koa ny CNRE.

Raha ny vaovao voaray, tamin’ny 4 ora maraina tany ho any no maha-may izany birao izany, omaly vao mangiran-dratsy. Raha amin’ny 4 ora maraina izany, azo antoka fa mbola tsy nisy niasa tao, ny dikany: mety nisy nandoro izany biraon’ny CNRE izany. Mbola tsy mazava ny antony naha-may ny ONE, dia izao may izao koa ny CNRE, misy tsy milamina ao amin’ity sehatry ny tontolo iainana ity eto amintsika, misy raha hafenina, ka ny fandorana no hitan’ireo tompon’andraikitra, fa hanaronana ny ratsy nataony.

Araka ny fanampim-baovao azo, may ihany koa ny ampahany tamin’ny tranon’ny CNRIT, na ny foibem-pirenena momba ny fikarohana teknôlôjika sy indostrialy teo akaiky teo. Tao amin’ny CNRE, may tao daholo ireo antontan-taratasy rehetra tao anatin’ity foibe fanaovana fikarohana momba ny Tontolo Iainana ity, raha araka ny vaovao voaray.

Tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina tao Tsaralalana ary tsy niitatra izany. May tamin’izany ny: trano famakiama-boky 1, laboratoara 2, birao 3 ary trano fitehirizana 5. Tonga teny an-toerana ny Talen’ny CNRIT sy ny Talen’ny CNRE, ary ny avy eo anivon’ny Brigade Criminelle, nanao ny fanadihadiana.

Raha tsiahivina dia efa nisy koa ny fandorana biraom-panjakana toy ny ONE teo Antaninarenina herintaona lasa izay. Vao tsy ela koa no nandeha ny fitsarana ny Talen’ny Parc Tsimbazaza, ka nampidoboka azy am-ponja. Mipetraka ny fanontaniana hoe mety misy ifandraisany ve izany rehetra izany?