Tsy marin-toerana ny hoavin’ny tanora

Sôh’son

Ny asa mivaingana no andrasan’ny olom-pirenena maika amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, fa tsy resabe sy fampanantenana tsy hita mazava izay fanatanterahana azy hatramin’izao. Anisan’ny olana lehibe ho an’ny tanora malagasy ny fidirana eo amin’ny tsenan’asa. Ny tsikaritra, dia ironan’ny tanora vita fianarana marobe ny amin’ny asa kiantsoantso miserasera mampiasa fitaovana moderina sy ny informatika amin’ny olona, na orinasa eto an-toerana, sy indrindra any ivelany, mifandraika amin’ny lafiny ara-barotra na seha-pitantanana ara-bola na ara-tsosialy ihany koa. Misy ny mahita tombontsoa amin’izany, fa misy kosa ireo hafa tafidi-kizo indraindray, noho ilay orinasa iasany mihitsy izay noho antony tsy fanarahan-dalàna. Izany hoe, tsy marin-toerana izany ilay zotra andehanan’ny tanora malagasy eo amin’izay sehatry ny tsenan’asa izay.

Etsy ankilan’izay, maro koa anefa ireo tsy manana asa noho ny tsy fahitana asa na fahaverezan’asa. Porofon’izany ireo tanora mirona be dia be amin’ny asa tsizarizary na fanaovana « bizina » etsy sy eroa fotsiny mba hahazoam-bola ivelomana. Ireo manana olana tsy voavahany dia azon’ny fakam-panahy hivily lalana, ka zary manaotao foana. Dia ireny iaraha-mahita na mandre ireny ny vaovao momba ny tanora maro mandray zava-mahadomelina sy ny fisian’ny maty vokatr’izany noho ny hery vaikany. Zary miha-mahazo vahana koa izany amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena.

Mbola saro-dalana ny tanora malagasy eo am-piatrehana izay hitondrany ny hoaviny ao anatin’izao fitondrana izao. Zary toa mandeha an-kitsapatsapa be ihany, fa ny fahazoany antoka ny amin’izany maivana ambony ihany. Ny fitondrana ankehitriny rahateo tsy mahasahy milaza mazava ny politikany momba ny zatovo sy tanora malagasy, fa mampifandray ny asa atao amin’ny fisehon’ny zava-misy na eto an-toerana na any ivelany. Politika tsy matotra izany kanefa tena iankinan’ny fiainan’ny tanora sy indrindra ny hoavin’ny firenena.

Tsy matotra ny fomba fitantanan’izao fitondrana izao ny firenena. Izao dia miolomay mandray fepetra indray amin’ny fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Miharihary fa tsy misy mihitsy ary tsy ananan’ny fitondrana ny fisainana mialoha amin’izay mety hitranga eo amin’ny fiainam-pirenena. Efa hatrany amin’ny taona 2020 izany tranga izany, ary mbola mitohy mandraka ankehitriny. Eo ny fitavozavozana, fa manampy izay koa ny kajikajy politika mihitsy atao mialoha, fa misy tombontsoa katsahina manokana, dia ny sarambabem-bahoaka no mizaka ny vokany avy eo. Fitondrana tsy matotra sy manaotao foana no misy eto amintsika, koa tsy mahagaga raha tsy mitombo ny famoronan’asa eto Madagasikara. Be ny very asa noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 nataon’ireo ao amin’ny fitondrana amin‘izao fotoana ny ankamaroany, mbola niampy izany noho ny krizin’ny coronavirus tamin’ny herintaona, tsy hita izay vaha olana mazava raisin’ny fitondrana Rajoelina hiatrehana izany hatramin’izao. Anisan’ny porofo iray amin’izany ankehitriny ny olan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any Nosy-Be, izay sahirana tanteraka, nefa tsy ahitan’ny fitondrana Rajoelina vaha-olana.