Nanamafy Ravalo – Haka fahefana avy any ifotony ka hatrany an-tampony ny TIM

Isambilo

Notanterahana tetsy amin’ny QG Bel’Air Ampandrana, ny fameloma-maso ny antoko TIM, ao amin’ny Boriboritany faha-3 ny sabotsy teo, notarihan’ny depiote voafidy tao amin’ity Boriboritany ity, ny depiote Feno Ralambomanana. Niatrika izany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara: RMDM, sy ny avy amin’ny birao politikan’ity antoko ity, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina. Namafisin’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, fa vonona ny haka fahefana ny antoko TIM miainga avy any ifotony izany, ka hatrany an-tampony.

Ny hoe haka fahefana hoy izy dia tsy hoe hanongana, zavatra hafa indray ny amin’izany, fa ny haka fahefana dia fahefana any amin’ny Fokontany, any amin’ny Kaominina, any amin’ny Distrika, any amin’ny Faritra. Matoa manao politika hoy izy dia haka fahefana izay. Ireo governora isam-paritra hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM dia governora tsy izy, sandoka, satria tsy voasoratra ao anaty lalampanorenana, fa napetraka natao hanery ny mpifidy sy hamoritra vahoaka. Toy izany ny nataon’izy ireo tamiko tany Itasy, teto Analamanga, ary tany Atsinanana hoy i Dada. Mahakasika ny fifidianana sy ny hoe: “azo raisina fa tsy mitombina”, tsy ho ekentsika intsony izany hoy ity filohana antoko politika ity.

Noresahany koa ny felaka tehamaina, nataon’ny governemanta Amerikana ny fitondrana Rajoelina ny herinandro teo dia ny mahakasika ny tsy fangaraharahan’ny tetibola eto amintsika, toy izany koa ny fahafaham-barakan’ny fitondrana noho ny fiverenan’ny valanaretina coronavirus indray, nefa afenimpenin’izy ireo.

Mahakasika ny fameloma-maso, na redynamisation ny antoko TIM, tsy fanetsehana fotsiny no atao, fa fanomezana ainga vao ny antoko sy ny mpikambana ao aminy ary tena hiasa eny anivon’ny vahoaka izy ireny amin’ny manjo azy ankehitriny. Tsy tokony hisy ny fanilikilihana, satria fanamafisana ny firaisankina koa ny fameloma-maso. Be ny olona te-hanatevina ny antoko amin’izao fotoana hoy izy, tokony ho raisina avokoa izy ireny.

Ankoatra izany, nilaza ny filoha Marc Ravalomanana: “mila anareo vonona aho na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza”. Fa nialoha ny fotoana teny Bel’Air, nidina teny amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse ny filoha Marc Ravalomanana, ny anton’izany hoy izy: ilaiko ho fantatra aloha ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony, mialohan’ny hanatanterahana ny fameloma-maso ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany misy ahy dia ny ao amin’ny Boriboritany voalohany izany.