Politika lany andro ny manao fitaovana politika ny ankizy

Sôh’son

Fihetsika nalaina tahaka tamin’ny filoha amerikana tamin’ny fotoan’andro indray, no nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ny faran’ny herinandro iny. Iaraha-mahalala, fa miharo politika hatrany no ataony isak’izay mihetsika mivoaka ny lapa. Ankizy indray no sehatra idirana, ary amin’io ankizy tsy ilay zanaky ny anjorom-bala, na adinon’ny fiaraha-monina, mba tsy ilazana hoe adinon’ny firenena sy indrindra ny fitondrana no anaovana fihetsiketsehana be. Ireo zaza matory an-dalana tsy misy mpiahy no tiana lazaina amin’izany. Tsy ao anaty kajin-dRajoelina ireny, sady tsy hitany rahateo izay vahaolana hanafoanana ny tsy hisian’izany ao anatin’izao fotoam-piasany efa misasaka izao.

Raha tena mitsinjo ny zaza Malagasy marina, sy tsy miangatra amin’ny fijerena azy rehetra, dia efa tany am-piandohan’ny nandray fitondrana no efa natao izany. Fa satria mahery vaika ny fanakianana maro samihafa avy amin’ny mpanohitra, no sady sahirana tsy mahatafavoaka “baolina”, dia mitady tany malemy hanorenam-pangady. Fanaon’ny fitondrany rahateo izany. Porofo akaiky mitohoka amin’ny tendany, ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Ny baolina kitra, ny Barea, no nisarika ny Malagasy maro, dia noezakezahina ny nanatona sy nanao fihetsika miseho fa tia baolina kitra izy sy ny fitondrany. Misy anefa taranja hafa tsy nojerena na nanaovana fanampiana toy ny an’ny Barea, raha tsy niezaka nangataka sy nitaraina niseho tamin’ny haino aman-jery amin’ny mba hanohanan’ny fanjakana ny sasany vao nitodihana.

Aoka tsy atao fitaovana politika amin’ny endriny samihafa ny ankizy, sy indrindra ny mpianatra any an-tsekoly. Leson-dratsy nipoitra hatrany amin’ny Repoblika faharoa izany, ary tokony efa hifarana tsy ho hita intsony. Efa tsy tokony ho hita intsony amin’izao fotoana izao, ny mpianatra ampiasaina eny an-tokontanin-tsekoly na an-dalambe, na amin’ny toeran-kafa miandry miaraka amin’ny mpampianatra na tomponandraikitry ny sekoly mandritry ny ora maro ny fahatongavan’ny tomponandraiki-panjakana hatramin’ny filohan’ny Repoblika. Mbola nahatarafana izany tao anatin’izao fitondrana milaza azy ho mahay sy babany izao. Ny firenena mandroso sady demôkratika efa miala amin’izany. Ny fahaiza-mitantana firenena no asongadin’ny mpitondra ao aminy, fa tsy fampiasana ho fitaovana politika ny zaza sy ankizy. Raha mbola izany no miseho eto dia tsy iadian-kevitra be, fa mbola tena firenena tsy mandroso ary mahantra i Madagasikara.

Ny antenaina, dia ny ahitana an’i Andry Rajoelina mamakivaky an’Analakely mandeha an-tongotra, dia miresaka mivantana amin’ireo ankizy anjorom-bala, amin’ny 10 ora maraina mbola mivalampatra matory eny an-tsisin’arabe. Amin’izany, tsy misy kajikajy politika sy arofenitra be na sinema fa tena fidinana tampotampoka ary tsy misy fanomanana mialoha ataon’ireo mpisolelaka, sy mpila ranondranony. Amin’izay vao azo heverina ny amin’ny fisian’ny fiovan’ny fomba fiasa eo amin’ny fitondrana Rajoelina, raha ho vitany izany. Toa tsy ao anatin’ny eritreriny anefa izany, ny fidedahana amin’ny zavatra tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ihany, no maha maika azy mpitondra mianakavy amin’izao fotoana.