Fanaovana ny kianja Barea – Volan’ny orinasa sinoa 17 tapitrisa dolara mahery tsy voaloa

Lita

Miseho amin’izao fotoana na hafenina aza, ny tsy fananan’ny fitondrana Rajoelina vola. Araka ny vaovao miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera facebook amin’izao fotoana, volan’ny orinasa sinoa nanao ny kianja Barea Mahamasina, mitentina 17 tapitrisa dolara Amerikana mahery, no tsy voaloan’ny fitondrana Rajoelina.

Manambara ny orinasa sinoa China Construction Overseas Development Madagascar SARL (CSCOD), fa misy ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 dolara tsy mbola voarainy avy amin’ny mpanakarama azy nanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina, ka tsy ahafahany manefa ny volan’ireo mpamatsy entana azy, na teo aza ny taratasy indroa miantoana fampahatsiahivana nataon’ity orinasa ity.

Vokany, tapaka ny fandefasana ireo jiro manazava ny kianja, toy izany koa ny fitsirihana (surveillance) ary ny komandy mandefa ny « écran géant ». Famatsiam-bola maherin’ny 77 tapitrisa dolara amerikana no voalaza, fa nenti-nanana ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Mbola voamarina hatrany, fa fitondrana tsy mahaloa volan’olona ny fitondrana Rajoelina.