Raharaham-pirenena – Ataon-dRajoelina kilalao-jaza ny demokrasia

Ny Valosoa

Rahampitso Alahady 21 Novambra 2021 dia handeha mivantana ao amin’ny haino amanjerim-pitondrana, ny resaka hifanaovan’Ingahy Filoha Rajoelina amin’ireo solontenan’ny ankizy voalaza , fa avy amin’ny lafivalon’ny nosy hono, nambara ihany koa fa hamaly ny fanontaniana avy amin’ireo ankizy ireo Ingahy Filoha.

Efa elaela ihany Ingahy Filoha no tsy heno nitafatafa , satria na tamin’ny fahatongavany avy namonjy ny Cop26 aza dia tsy niatrika ny mpanao gazety izy. Tamin’ny Alahady 02 Mey 2021 izao no mba nisy ny fifanatrehany mivantana tamin’i Gascar Fenosoa , mpanao gazety tena mahaleo tena, fa hatramin’izay dia ireo mpanao gazety zanaka an-tranony ihany no mitafatafa aminy any amin’ireo haino amanjerim-pitondrana.

Ny azo antoka aloha dia tsy fandaharana mivantana ny handeha rahampitso, f’efa noraisim-peo sy sary mialoha ary ny fanontaniana hivoaka ao dia fanontaniana efa nomanina mialoha, ka fomba fotsiny ny manontany , f’efa nomena mialoha ireo ankizy mpanadina ny fanontaniana.

Raha nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny haino vakijery isan-karazany Ingahy Filoha tamin’ny volana Janoary 2020 dia nampanantena, fa hatao isambolana ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, kanefa efa ho tapitra ihany ity ny taona 2021 tsy nisy ilay fihaonana nampanantenaina efa ho roa taona.

Mazava ny hevitr’Ingahy Filoha, fa ataony kilalaon-jaza ny demokrasia, ka sahiny tsotra izao ny tsy manatanteraka ilay fihaonana nampanantenainy kanefa ny fitafatafana amin’ny mpanao gazety dia tena endriky ny fisian’ny demokrasia azo tsapain-tanana , dia izao izy mody miala ilany amin’ny firesahana amin’ny ankizy, mamorona voambolana sadasada toy ny hoe ‘’ demokr’ankizy”, mazava ho azy fa kilalao sahala amin’ny ankizy manao tantara vato no hiseho , ary raha tena demokratika marina ity filohantsika ity dia ny fanovana ny Ceni sy ny Hcc no andrasana aminy, fa tsy ny resa-jaza izay fiheverana ny vahoaka malagasy ho toy ny zaza bodo.