Haintany – Miha-mafy ny mahazo ny mponina any Atsimo, ritra i Mandrare

Niaina

Miha-mafy ny mahazo ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana noho ny haintany. Misotro ranom-potaka ny olona, satria ritra ny reniranon’i Mandrare any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo faritra Anôsy.

Ritra tanteraka ny reniranon’i Mandrare. Latsaka tanteraka ao anatin’ny fijalian-drano ny mponina any an-toerana, izay miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra. Efa ela no nahenoana ireo mpamatsy vola sy tetik’asa ho an’ny Kere any Atsimo, saingy mbola tsy hita hatramin’izao izay tena vahaolana maharitra ho an’ny firenena manodidina ity Kere ity.

Ny rano dia aina satria ny 60% amin’ny vatan’olombelona dia rano avokoa, ka io no tena fototra mahavelona noho izany. “Miandry ny rariny eto sisa ny mponina kanefa azo taritina aty amin’ny faritra mihitsy ilay tetik’asa IFAHO, izay isan’ny mamaha ny olan’ny tsy fisian’ny rano any Amboasary Atsimo tokoa”, hoy ny solontenan’ny mponina any an-toerana.

Mbola ho voavaha tokoa ve ity olan’ny rano izay mampijaly tanteraka ny mponina any Atsimo ity? Ny eto an-drenivohitra aza efa mifanjevo amin’ny resaka rano, mainka fa ny any Atsimo izay faritra maina. Inona no tena vahoalana? Iza no tena tokony handray ny andraikitra? Raha izao fitondrana tsy alehany izao aloha dia tsy ahita vahaolana amin’izany.