EDITO 20 Novambra – Olan’ny Oniversite – Tokony hahemotra ny daty farany fisoratana anarana

Beharo

Tsy afaka olana ny Anjerimanontolo eto amintsika. Araka ny fangatahan’ny maro eny amin’ny ambaratonga ambony amin’izao fotoana, tokony hahemotra ny daty farany amin’ny fisoratana anarana eny amin’ny Oniversite.

Tamin’izao faran’ny herinandro izao, dia marobe ireo mpianatra eny Ankatso, sampana EGS indrindra indrindra, no niteny fa tsy ara-dalàna tampoka ny fetra farany hanaovana fisoratana anarana, satria ny fe-potoana fanaterana ireo dossiers feno miaraka amin’ny fandoavam-bola eny amin’ny banky samihafa, dia omaly zoma ohatra, nefa ry zareo mbola tsy manana ny vola ho entina eny amin’ny banky amin’izany, ny vatsim-pianarana rahateo mbola tsy azo, tsy misy fampiomanana.

Satria vao tamin’ny alarobia teo no nambara izany. Taitra tamin’izany ny tompon’andraikitra ka voatery nitady vola tetsy sy teroa ireo mpianatra maro vao nilahatra teny amin’ny banky omaly zoma, nefa mbola asaina miverina amin’ny alatsinainy ireo teny amin’ny BNI/Analamahitsy ohatra, fa tsy tratra, izay inoana fa hanimba ny fanaterana ireo taratasy eny amin’ny Anjerimanontolo.

Vola 42000 ar, ny saram-pisoratana anarana tsy maintsy aloa miampy ny vola fandraisana anjara ampahany 38000 ar ihany koa, izay efa mitotaly 40000 ar, ka mahatonga ny antsoantson’ny maro amin’izy ireo hanao hoe: asio fanemorana ny fe-potoana fara-fanaterana “Dossiers ” io, fa tsy rariny manara-penitra loatra. Fomba fiteny ny manara-penitra amin’izao fitondrana Rajoelina izao, ka manara-penitra toy izany koa ny tsy fahaizan’ireo mpitondra manomboka hatrany an-tampony, voalaza fa cerveau, hay mety cerveau fôpla ihany araka ny fitenin-jatovo.