MBOLA HOTSARAINA…

Ho anao an-dalam-pivarotana an’i Madagasikara,
Ka miketrika isan’andro ny hivoky miliara,
Saino ihany ka tsarovy ry olona tsy valahara,
Masina e ny tanindrazana ka mihemora sao dia tara!

Ho azonao ny volabe satria anao ny fahefana.
Tena handihy ny lava orona, ny bory satroka, karana.
Ianao hitonona ho mahery ka hitohy ny filibana,
Saingy misy fetra izany sady manam-piafarana!

Aza mino ianao fa hoe ho azonao ny fiadanana,
Raha kitapo feno vola no nofisinao hiondanana.
Ireo vahoaka miantso tody, trotraky ny hanoanana,
No hamoha an-torimaso anao ilay “maty am-pitsanganana”!

Ambohijatovo mody amboarina sy nasiana fanovana,
Fa i Tsimbazaza kosa, hay homena ny karana?
Efa tototry ny vola avy amin-dry zareo vahiny,
Ka hadino ny vahoaka ry mpitondra ankehitriny?

Hatramin’ny valan-java-boahary izay mirakitra tantara,
No tadiavina hamidy sy hahazoana miliara?
Hoy ny teninay: milera, mivokisa, mangalara,
Saingy mbola hotsaraina ianao ry olon’ny mapara!

DADAN’i ZINA (19-11-21)