Antoko TIM Alasora – Ho filamatra amin’ny fameloma-maso ny antoko

Helisoa

Vory marobe tao amin’ny Espace Planet M Alasora Avaradrano, ny mpikatroka Tiako i Madagasikara (TIM) manerana ny fokontany miisa 20 mandrafitra ny kaominina Alasora.

Nitarika ny fotoana tao an-toerana ny ben’ny Tanàna TIM, Jimmy Randriantsoa, niaraka tamin’ny mpanolotsaina voafidy tao anaty lisitry ny antoko TIM. Ny lahadinika tamin’izany dia ny fanomanana ny hetsika lehibe ho famelomamaso, na redynamisation ny TIM ao amin’ny kaominina Alasora ny 18 desambra ho avy io hanomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Espace RILATSIO Buffet By Pass.

Teo ihany koa ny fanomanana ny fifidianana FOKTIM manerana ny fokontany 20, ka nomena toromarika tamin’izany ireo tompon’andraikitra vonjimaika isaky ny fokontany. Omena 15 andro ireto farany hanatanterahana izany, ka ny 3 desambra ho avy izao no hifidy ny COMTIM Alasora izay FOKTIM voafidy eo.

Voaporofo nandritra ny fivoriana, fa antoko matanjaka ny TIM ALASORA; tonga avokoa ireo ekipa mavitrika namorona ny TIM teny Alasora hatrany amboalohany, fony mbola Tiako Iarivo nilatsahan’ny filoha Marc Ravalomanana ho ben’ny tanànan’Antananarivo izay niova ho Tiako i Madagasikara taty aoriana. Teo ireo ekipa tsy niala hatramin’izay, ary ireo mpikambana izay tonga vaovao taty aoriana. Niray feo ny rehetra, tsy misy intsony ny disadisa, fa tanjona tokana no hatrehina dia ny fametrahana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray.

Ny ben’ny Tanàna Jimmy Andriantsoa dia nanantitrantitra, fa ilaina ny firaisankina, vonona ny tenany ka tsy hanao izay ahamenatra ny antoko TIM amin’ny fitantanana ny kaominina, fa ALASORA MANDROSO no tanjona araka ny tarigetran’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, ny filoha Marc Ravalomanana. Arak’izany, hiezaka ho filamatra Alasora amin’ny fameloma-maso ny antoko najoron’ny filoha Ravalomanana.