Rodoben’ny Mpanohitra RMDM – Sabotsy 4 desambra mifankahita

Stefa

Sabotsy 4 desambra mifankahita eny amin’ny Magro Behoririka ny RMDM, araka ny nambaran’ny filoha lefitr’ity rodoben’ny mpanohitra ity avy any Toliara, Edouard Tsarahame, tamin’ity herinandro ity.

Arak’izany miantso ny olona, hidina eny amin’ny Magro Behoririka izy ireo amin’io daty voalaza io. Hamory ny mpanaradia azy eny amin’ny Magro Behoririka ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara amin’ny sabotsy 4 Desambra izao.

Araka ny nambaran’ny Pasitera Edouard Tsarahame nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazery teny Bel’Air, dia hampahafantarina ny vahoaka mandritra io fotoana io ny boky mirakitra fehin-kevitra 16 notapahana nandritra ny fikaonandoha nataon’ny lohandohan’ny mpanohitra teny By Pass tamin’ny volana Jolay.

Raha tsiahivina, isan’ny teboka lehibe ao anatin’izany ny fitakiana ny fialan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny hananganana ny Repoblika fahadimy. Ankoatra izay, nomarihan’ny Pasteur Edouard Tsarahame, fa tsy hiova-hevitra ary tsy mangataka fiaraha-mitantana sy mitady seza amin’ny mpitondra ny eo anivon’ny RMDM. « Tsy mangataka seza izahay, fa miomana haka fahefana. Handresy lahatra ny vahoaka masi-mandidy izahay amin’io fotoana io hakana izany fahefana izany », hoy io filoha lefitry ny mpanohitra io.

Ankoatra izay, milaza ny hanao tolo-tànana lehibe ho an’ireo vahoaka may trano tany Farafangana ihany koa ny RMDM ny 4 Desambra izao io, hisy ny telethon hatao mandritra io fotoana io ao amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.