Fitondrana Rajoelina – Mbola mangataka andro indray amin’ny fanidiana sisintany amin’i Maorisy

Ny Valosoa

Tsy mbola voafehy tanteraka ny aretina koronaviriosy, na dia tsy misy intsony aza ny famoahana ireo tarehimarika manambara ny fivoaran’ny aretina. Iaraha-mahalala fa matoa misy ny sekoly maromaro mikatona any Morondava Faritra Menabe, dia misy izay ilay aretina, nahazoam-baovao koa ny tany Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Nosy-Be, ary eto Antananarivo, izay vavahady idiran’ireo tonga amin’ny fiaramanidina dia tsy ferana, noho i Antananarivo tanàna isian’ny fifampikasohana be dia be.

Ny atsy amin’ny Nosy Maorisy, nosy mpifanolo-bodirindrina amintsika dia mazava ny fomba fiasan’ny minisiteran’ny fahasalamana, satria namoaka mazava ny tarehimarika, ka teo anelanelan’ny 8 Novambra hatramin’ny 14 Novambra 2021 dia nahatratra 11538 ny isan’ireo olona mitondra ny valanaretina koronaviriosy, 74 no maty kanefa ny 67,8 isanjaton’ny mponina no efa vita vaksiny, voalaza ihany koa fa efa ahitana ny “variant delta” atsy amin’ny Nosy Maorisy.

Raha ny tokony ho izy, tokony dia tokony handray fepetra avy hatrany ny fitondrana eto amintsika hanidy avy hatrany ny fifandraisana an’habakabaka amin’ny Nosy Maorisy, saingy indrisy fa sendra izay mpitondra mihanahana lava isika, zatra ny mitaredretra, ka amin’ny Sabotsy 27 Novambra 2021 indray hono vao hakatona ny fifandraisana amin’ny Nosy Maorisy.

Tsiahivina fa ny fangatahan’andro toy ny ataon’ny mpitondra izao, no nahatafiditra ny koronaviriosy teto amintsika ary ireo sidina nomena alalana niditra farany no nitondra ny aretina teto amintsika. Ny mpitondra eto amintsika dia efa zatra milalao ny aim-bahoaka, noho izany ny mety amintsika vahoaka aloha dia tsy misy afatsy ny mailo hatrany, satria ny an’ireo mpitondra ireo efa hafa mihintsy ny azy ireo ny kajy.

Raha ny fandinihana azy dia mety ho efa tafiditra eto amintsika ilay aretina mahery vaika kokoa, amin’ity valanaretina coronavirus ity dia ilay variant delta, satria raha ny vaovao voaray avy any amin’ny faritra Menabe iny, ireo ankizy no anisan’ny lasibatry ny aretina amin’izao fotoana. Izay tranga izany, tsy dia nisy loatra nandritra ny nampihanaka be ny valanaretina covid-19 teto amintsika tamin’ny taon-dasa. Raha izao zava-misy eto amintsika, sy noho ny tsy firaharahian’ny fitondrana Rajoelina ny momba ity valanaretina ity amin’izao fotoana, mety tsy ho lavitra antsika ny fidirana amin’ny andiany faha-3 ny valanaretina, na ny 3ème vague! Koa dia samia mailo sy mitandrina ny tenany avy ny tsirairay dieny izao.