Mpampianatra mpikaroka ao Tsimbazaza – Tsy ekena ny fanomezana ny Vondrona Axian an’i Tsimbazaza

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fikasan’ny fitondrana hanome ny Valan-javaboaharin’i Tsimbazaza ho tantanin’ny Vondrona Axian, vondron’orinasana karana, mandritra ny 30 taona, namoaka fanambarana ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Valan-javaboaharin’i Timbazaza, na ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza, fa tsy eken’izy ireo marindrano izany fikasan’ny mpitondra hanome ny tsy miankina ny iray amin’ny fiandrianam-pirenena eto amintsika dia io Valan-javaboahary io.

Izany fanambarana izany dia nataon’ny “Collège des Chercheurs-Enseignants du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT)”. Ao anatin’izany dia manambara ny tsy fanekeny ny fanomezana ny PBZT ho tantanan’ny Vondrona Axian mandritra ny 30 taona amin’ny alalan’ny fifanarahana “Procedure de gré à gré” izy ireo.

Hitokona noho izany ireto mpampianatra mpikaroka ireto hiverenan’ny fitondrana Rajoelina amin’ny fanapahan-keviny, fa raha tsy izany, hitohy sy hiha-mafy ny fitakiana ataon’izy ireo. Tena tsy mahafantatra izany atao hoe fiandrianam-pirenena izany mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao, fa toa hamidimidiny amin’ny vahiny avokoa ny maha-izy azy ny Malagasy rehetra.