Randriamanga Henri William – Salama sy matanjaka indrindra ny TIM Manjakandriana

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny filohan’ny Dis-TIM Manjakandriana, faritra Analamanga, Randriamanga Henri William, ny gazety Ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny fiainan’ny antoko ao amin’ity distrika ity. Nambarany tamin’izany, fa raha any amin’ny distrikan’i Manjakandriana dia ny antoko TIM no azo ambara fa salama sy matanjaka indrindra. Marina hoy izy fa somary tratra aoriana kely ny fameloma-maso ny antoko any Manjakandriana, fa efa manomana avokoa ny any an-toerana amin’izao fotoana.

Raha ny resaka natao tamin’ny ankamaroan’ny olon-tsotra hoy izy, mbola tsy miala amin’ny antoko TIM ny maro. Noho izay antony izay, nanambara ity filohan’ny Dis-TIM Manjakandriana ity, fa tsy hanahirana ho azy ireo ny fameloma-maso, na redynamisation ny antoko ary manantena izahay hoy izy, fa ho be ireo mpikambana hanavao ny firotsahany ho mpikambana, na ny mpikambana taloha izany, na ny vaovao, eny fa na ny avy amin’ny antoko hafa aza, satria dia misy ny avy amin’ny antoko hafa amin’izao fotoana maniry hiditra amin’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Matoa anatonan’ny olona fa tsy andosirany ny TIM, salama sy matanjaka izy izay.

Ankoatra izany, tsy misy firy ny zava-bitan’ny fitondrana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tamina kaominina iray no nisy fanamboaran-dalana 1,5 km, nisy ireo fitaovana lehibe fanaovan-dalana nijanona 3 andro tany, ny kaominina sy ny vahoaka anefa no niantoka ny solika nampandehanana izany, avy eo dia tsy hita intsony ireo fitaovana fanamboaran-dalana ireo, voalaza aza fa naseho tany amin’ny distrika na faritra hafa mihitsy izany. Momba ny fameloma-maso ny antoko TIM, efa nomena ny toromarika isaky ny kaominina, fa ny fizahana ny fotoana no manahirana noho ny ankamaroan’ny mponina tantsaha, ka sarotra ny mitady fotoana hihaonana amin’izy ireo. Na izany aza, misy ny paikady napetraky ny Dis-TIM, tany Manjakandriana tapany avaratra, niara-nanatanteraka ny fameloma-maso ny antoko tamin’ny Vehivavy TIM Analamanga izahay hoy izy. Dia mbola hiara-hikarakara ny faritra tapany atsimo sy afovoan’i Manjakandriana koa. Ny vehivavy tokoa no mora maharesy lahatra olona, satria na eny am-panetsana, na eny ampatsakana, na eny am-panasan-damba dia efa tafita ny hafatra tiana hampitaina.

Ankoatra izany, manantitra ny fanentanana ny rafitra ifotony, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina koa ny Dis-TIM, ny tanjona dia ny handraisana fahefana atsy ho atsy, indrindra ny famerenana ny filoha Ravalomanana eo amin’ny fitondrana.