Namehana Avaradrano – Lasan’ny vahiny ny tanimbary, tsy hanaiky ny vahoaka

Niaina

Lasan’ny vahiny karana ihany koa amin’izao fotoana ny tanimbarin’ny mponina any Namehana ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Manoloana an’izany, tsy hanaiky ireo tantsaha mponina any an-toerana. Lasa tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy raha izao tranga izao.

Raha nampanantena ny filoha Rajoelina, fa homena tany ny vahoaka, dia fakana izay kely ananany indray no misy amin’izao fotoana. Efa an-taonany maro no nanajary ny tany ny mponina, kanefa izao lasan’ny vahiny tampoka izao. Tany izay misy ny fambolem-bary, fiompiana trondro, ary fambolena anana, izany hoe ny foto-piveloman’ireo olona mihitsy no kasaina esorina aminy.

Ny mahagaga amin’ity toe-draharaha ity hoy ireo mponina, any Nahamehana no misy ny tanimbary kanefa tany Miarinarivo faritra Itasy no natao ny taratasy fifampivarotana.