EDITO 18 Novambra – Mandrorona ny fandroson’ny firenena

Sôh’son

Kivikivy ny tantsaha malagasy eo anoloan’ny tsy firotsahan’ny orana ara-dalàna. Mety hanahirana ny taom-pambolena 2021 – 2022, noho ny tsy fahampian-drano amin’ny fotoana ara-dalàna ilàna azy. Vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro izany, izay avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Zava-droa loha araka izany no manohintohina ny fahatsaran’ny fiakaran’ny voka-bary. Eo izay resaka toetrandro izay, fa eo ihany koa ny fiantraikan’ny fihanaky ny valanaretina. Manampy ireo ny fomba fiasan’ny fitondrana izay tsy mametraka ho laharam-pahamehana ny fanohanana ny fampiroboroboana ny fambolem-bary sy ny tantsaha. Ny nihazakazahan’ny fitondrana maika dia ny fanafarana vary avy any ivelany, ka mihevitra fa izany no hahafahana misakana ny tsy hiakaran’ny vidim-bary sy ny tsy hisian’ny olana amin’ny fanjifana vary eto an-toerana. Mazava loatra, fa vahaolana tefy maika ihany izany fa haharitra ny fahombiazany. Iaraha-mahita sahady aza, ny fihisaran’ny fanafarana izany vary izany, sy ny fahatongavan’ireo sambo roapolo nitabatabana ery ny nilaza azy. Zary mitovy ihany amin’ireo fampanantenana tany am-piandohana nefa tsy tanteraka ny zava-misy sy mbola mitohy ankehitriny.

Tsy ny mpanohitra no fositr’ity firenena ity sy tsy mampandroso azy, fa ireo olona eo anivon’ny fitondrana ihany sy indrindra ireo mpisolelaka amin’ny filohan’ny repoblika. Ataon’izy ireo hatrany izay fomba samihafa hanafenana ny marina eto amin’ity firenena ity. Tsy fanasoavana tanindrazana tsotra izao izany. Raha te hanarina ity firenena ity marina dia fanapotsirana ny aretiny toy ny nataon’ireo mpisehatra politika teny amin’ny Carlton Anosy ireny, sy ny efa nataon’ny RMDM hatramin’izay. Izao indray dia tadiavina lalaovina amin’ny alalan’ny antontan’isa ny vahoaka. Raha fantatra fa miiba 7%, tsy maninona atao hoe 6%, fa niady varotra mafy ny amin’io ilay teratany Malagasy any Frantsa nivahiny tao amin’ny fandaharana fahitalavitra tsy miankina iray vao tsy ela izay, ny taha fitomboan’ny toekarena ny taona 2020. Amin’ity taona ity dia nambara fa, tafakatra hatrany amin’ny 3% mahery kely izany. Izany hoe, nahavita ezaka hatrany amin’ny manodidina ny 10% ny taha-pitomboana ara-toekarena vitan’ny fitondrana. Koa nahoana no ho manodidina ny 5% monja ny vina amin’ny fitombon’ny toekarena ny taona 2023. Misy tsy milamina izany kajy izany, raha tsy ohatra angaha efa maminavina indray ny fitondrana fa hanahirana indray ao anatin’izany ny fihanaky ny valanaretina izay tsy hita ny fanazavana ny amin’izany hatreto. Amin’ny fijery hafa ihany koa, dia tsy ho afa-pahasahiranana izany ity fitondrana ity satria nikobokobona ny fahamarinana tsy hipoitra eto amin’ity firenena ity hatramin’ny naha teo amin’ny toerana azy. Fositra iray lehibe mampandrorona ny fandrosoan’ny firenena izany.