Hassanein Hiridjee – Salim Ismail – Ho robain’ireo “karana tsy vanona” ve i Madagasikara iray manontolo?

Lanzelo

Mitohy ihany ny fanaovan’ireto karana mpanefoefo ampihimamba ny fananan’ny Malagasy. Tapitra alainy ho fehezin’izy ireo ny Tanindrazan’ny Malagasy.

Nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety ny talata 16 novambra no nambaran’ny profesora James Ratsima fa fokontany 11 no indray nofoanan’ny karana tao Mampikony. Soa fa niditra an-tsehatra ny mpitsara iraisampirenena teo aloha Arlette Ramaroson ka nihemotra ny orinasa Socota izay tantanan’i Salim Ismail.

Eto indray dia ny Parc Tsimbazaza indray no tadiavina omena ny orinasa Axian izay an’i Hassanein Hiridjee ho tantanany mandritra ny 30 taona, amin’ny alalan’ny « procédure de gré à gré »; izany hoe tsy mandalo tsenam-barotra fa tonga dia resaka akamakama.

Mibaribary amin’izay ny anaran’ireto karana fahavalon’ny firenena Malagasy. Efa notaterina teto amin’ny gazety ihany ny anaran’i Hassanein Hiridjee, Abdoul Rassoul, Ylias Akbaraly. Mbola maro izy ireo fa eto aloha dia miampy an’i Salim Ismail. Ho robain’ireo tsivanona araky ny nilazan’ny profesora James Ratsima azy, ve izany i Madagasikara iray manontolo ka ho ataony ambany vahohany daholo ny vahoaka Malagasy? Ny tantara no hilaza azy!

‘https://youtu.be/I8mL7rW2lKE?t=1371

‘http://www.gvalosoa.net/2021/04/30/miara-manonja-ireo-karana-hassanein-hiridjee-abdoul-rassoul-ylias-akbaraly-manao-ny-maizina-sy-mazava-eto-madagasikara/