ANY IANAO RAGOVA IZAY

Aza dia avo vava ry goverinora.
Aza tia hoerahoera isan’andro isan’ora.
Tandremo ny vava fa sao anenenana,
Ry olon-tsy anaty lalàm-panorenana!

Ianao dia tsarovy fa tsy olom-boafidy,
Ka aza tia homana sady mandidy,
Fa olo-napetraka sy namboamboarina,
Hiaro ny veta ary koa ny tsy marina!

Izy io tsy hazakazaka fiarakodia
Ka ilàna be kibo fa tsy olo-mahia,
Ary koa tsy dia resaky ny olo-mivìka
Variana amin’ny kianja dia ilay “saintetika”.

F’ireny dia tena fandrebirebena
Ireo olo-mahantra amin’ity firenena,
Kanefa iombonan’ny foza rehetra
Izay kinga amin’ny bizina tena voretra.

Tsy dia “hery be” no ilaina tsy akory
F’izay mampandroso no ‘ndeha hifotory.
Koa aza sodokan’ny zava-mandoza
Ry volon-daoranjy sy ekipan’ny foza!

Tsy soa ny mangalatra sy manambaka,
Koa ‘ndeha atsaharo ry soa makamaka.
Dia ‘ndeha mirosoa amin’ny zavatra tsara,
Mba hoenti-manondrotra ity Gasikara!

TSIMIMALO (17-11-21)