Toha-dranon’i Dabarà any Menabe – Tsy ho vita noho ny tsy fisian’ny vola sy fiakaran’ny vidim-piainana

J Patrick R.

Ny sabotsy lasa teo dia nidina ifotony nijery ny zava-misy taty Menabe ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, RAMILISON Harifidy, ka nijery ny ranon’i Dabarà, izay fototry ny fambolena vary ato amin’ny distrikan’i Mahabo sy Morondava. Nandritra izany no nanambarany fa tsy maintsy haverina ny fanaovana ny fanadihadihana sy ny fanavaozana ny tetibidin’ny fanarenana ity Dabara ity, satria raha ny teti-bidy tamin’ny 2014 dia nahatratra 52 miliara ariary, izay vao mahavita izany, nefa nilaza sy niaiky ity minisitra ity, fa tsy voafen’ny fitondrana ny ekonomika sy sosialy noho ny fidangan’ny vidim-piainana an-kehitriny, satria miakatra daholo ireo akora hanarenana ity toha-dranon’i Dabarà ity toy ny simenitra sy ny vy, ka izay no antony hamerenana ny fanavaozana ny vinavinam-pandaniana hanarenana ity toha-drano ity.

Nanambara koa ny minisitra, fa mbola lavitr’ezaka ny asa noho ny tsy fisian’ny vola vonona sy atokana hanarenana ity tohadrano ity, fa vao hitady mpamatsy vola rehefa vita ilay teti-bidy ho fanarenana ity tohadrano ity. Hatreto dia mbola tsy tanteraka ny baiko, izay nomen’ny Praiministra raha nandalo taty Menabe ny volana septambre lasa teo hoe: tokony hiara-hientana ireo talem-paritra sy ny hery velona rehetra ato Menabe ho fanarenana io tohadranon’i Dabarà io. Tsapa ihany koa araka ny valin-tenin’igahy minisitry ny fiompiana sy ny fambolena raha ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, fa miady irery ny ministera iadidiany manoloana ny olan’i Dabarà, satria na ny ministeran’ny vola na ny ministeran’ny tontolo iainana dia tsy misy miasa saina amin’ity Dabarà ity nefa dia samy manana ny anjara asany amin’ny fanarenana ity tohadrano ity daholo ireo ministera ireo. Raha vita mantsy ilay vinavinam-pandaniana, ka tsy ampy ny famatsiambola azo dia manana andraikitra amin’izay ny ministeran’ny vola, eo koa raha tahiany ka vita soa amantsara ity tohadrano ity nefa izao no fahasimban’ny tontolo iainana izao no misy dia tsy hisy rano ho tantanina eo.

Lany andro sy mandany vola amin’ny fivoriana ary ny fidinana ifotony fotsiny ity ministeran’ny fambolena sy fiompiana ity raha ny zavatra hita, satria vao tsy ela akory izay, mbola tsy ampy iray volana ny minisitra lefitra eo anivon’ny fiompiana no nidina ifotony teny amin’i Dabarà dia izao indray tonga ny minisitra, izay noheverina fa hitondra vahaolana, hay mbola nitondra fampionona sy fankaherezana fotsiny, ka velom-panontaniana ny rehetra hoe tsy nanao tatitra ve ingahy minisitra lefitra sa ingahy minisitra no tsy mino raha tsy mahita ? Ka dia manao fandaniana volam-panjakana amin’ireto mpiaradia marobe entiny ireto.

Tsara ho marihina fa ity tohadrano ity dia efa tany amin’ny taona 1991, no nisy fanarenana farany, izay manondraka velaran-tany 12000 ha tamin’izany, raha efa velaran-tany 18000 ha amin’izao no tondrahany ary fony mbola nihodina ny orinasa SUCOMA dia nikarakara ity tohadrano ity, saingy indrisy fa ny SUCOMA efa nodorana; ny fanjakana tsy manam-bola ka rava ny sompitr’i Menabe; very fanahy mbola velona ny tantsaha satria ny omby lanin’ny dahalo, ny rano ambolena tsy misy na dia efa manao ezaka aza ireo biraon’ny federation vaovao, izay mitantana ity Dabara ity, tarihin’Andriamatoa Maharo Jean.

Ho avy indray atsy ho atsy ny fampielezan-kevitra dia toy ny mahazatra ihany no hitranga hoe: fidio aho fa hamboariko Dabarà.