Vondrona Panorama sy Roland Ratsiraka – Fahombiazana ny fikaonandoha nokarakarain’izy ireo

Helisoa

Fahombiazana, izay no azo ilazana ny fikaonandoha nokarakarain’ny Vondrona Panorama, sy ny depiote Roland Ratsiraka, tetsy amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha ny sabotsy teo. Namaly ny antso avokoa ireo antoko politika miara-dia ao amin’izany Vondrona Panorama izany, toy ny antoko MTS, ny HVM, ny Ampela Manao Politika, ny GFFM, ny AME, ny MFM, ny DHD, ny Namagna,… Tao koa ny solontenan’ny avy amin’ny antoko TIM sy RMDM, notarihan’ny filoha nasionaliny, ny filoha Marc Ravalomanana. Nisongadina tamin’izany, fa rehefa nifampiresaka imasombahoaka sy nifanazava ny depiote Roland Ratsiraka, sy ny filoha Ravalomanana dia nifamela ary nifandray tanana ho mariky ny fampihavanana.

Raha tsy tonga dia nametraka ny fanontaniana mivantana i Roland Ratsiraka dia nohitsian’ny filoha Marc Ravalomanana ny momba ny resaka : “nahatonga anao taloha hoe tsy tia ahy!” “Izaho hono nanagadra azy taloha!… Resahiko anareo tsara ny marina… Tena nampihàtra ny discipline sy tany tan-dalàna izany aho… ary nisy ministra teo nisahana izany. Tsy nanao intervention mihitsy aho na indray mandeha àza. Ka raha ohatra nisy izany dia aza tsaraina mihitsy, fa tsy izaho mihitsy no nanao an’ilay izy. Tsy nanagadra na iza na iza mihitsy aho, satria nametraka tsara ny rôle-n’ny fitsaràna. Raha tsy mipetraka amintsika ny fitsaràna sy ny fanajana Lalampanorenana, aza mieritreritra isika, ary tsy ananako havana mihitsy io. Efa henoko foana izay resaka izay, fa tena nalahelo ianao. Teo dia nanatona an’i Marc Ravalomanana i Roland Ratsiraka, ary nifandray tanana izy mianaka, endriky ny fifampihavanana. Nifamela heloka izy mirahalahy mianaka ary nampiseho modely fa olon’ny fihavanana. Tsy nanagadra an’iza na iza aho, hoy Dada, fa nametraka tsara izay hoe asan’ny fitsarana izay. Nandray fitenenana tamin’izao fikaonandoha izao koa, nampitain-davitra, na tamin’ny alalan’ny visioconfrence ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay nanatsikafona koa ny tsy fahaizan’ny fitondrana Rajoelina.