Solontenan’ny Tanora TIM manerana ny Nosy – Fahombiazana ny atrikasa tany Sambaina Manjakandriana

Isambilo

Nanantanteraka atrikasa fikaonandoha, sy fitsangatsanganana tany Sambaina Manjakandriana, ireo mpitarika ny Tanora TIM manerana ny nosy ny sabotsy teo. Amin’ny ankapobeny, fahombiazana izany hetsika izany, niatrika ny fotoana tany an-toerana ny solontenan’ny birao politikan’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly nasionaly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina. Nodinihana nandritra io fotoana io ireo paik’ady rehetra ho entin’ny Tanora hampiroboroboana ny antoko, sy ireo tetik’ady hitarihana ny tanora handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena.

Manana toerana lehibe eo anivon’ny antoko TIM ny tanora hoy ny filoha Marc Ravalomanana, ka tokony homena lanja ary mila mandray ny andraikiny ihany koa ho fanavotana ny tanindrazana. Ainga vao, fomba fiasa vaovao, no misy ao anivon’ny Tanora Tiako i Madagasikara, izany ihany koa dia ao anatin’ny fanomanan’ny antoko ireo fifidianana rehetra ho avy eto amin’ny firenena.