Depiote Roland Ratsiraka – Filoha mpandainga ny filoha Rajoelina

Ny Valosoa

Nitondra ny fomba fijeriny ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina ny depiote Roland Ratsiraka, nandritra ny fikaonandoha tamin’ny sabotsy teo, nokarakarain’ny vondrona Panorama sy izy tenany. Notsikerainy tamin’izany ny gaboraraka sy ny fihetsika mamoafady ataon’ny filohampirenena ankehitriny.

Ao ny “Fonds souverain”, izay tsy neken’ireo mpitantana nifandimby kanefa napetrany ho anaovany izay tiany tsy misy fanaraha-maso. Ambim-bava ny any amin’ny firenen-dehibe no anaovana izany tahiry izany hoy Roland Ratsiraka, fa ny aty amintsika dia tadiavin’ny mpitondra hanaovana famotsiam-bola maloto izany. Manao vava miavona ny filoha Rajoelina manambara, fa tao anatin’ny 60 taona dia tsy nisy filohampirenena nahavita an’izao sy izao. Tsy fanajana ireo filohampirenena nodimandry izany.

Eo ihany koa ny lalàna nokasaina ho laniana mikasika ny famarotana fanafody, ka na mpivarokena aza dia handeha homena alalana hivarotra fanafody. Latsaka an-katerena hoy izy ny endriky ny fiasan’ny mpanao gazety. Tadiavina apetraka ny lalàna mifehy ny serasera FaceBook, kanefa ny fanjakana malagasy no mandoto ny serasera amin’ny lainga. Voizina ny feon’ny Andry Rajoelina hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MTS, milaza fa: “aza mividy io vaksiny io ianareo, aza manao fa ity misy tambavy, mihinàna an’io daholo ianareo”. Nisy anefa solombavambahoaka IRD nisotro tambavy dia maty, dia lazaina fa tsy azo nampahafantarina. Filohampirenena izany dia tsy tokony hanao dokambarotra tambavy. Filohampirenena izany dia tsy filohan’antoko, fa filohan’ny vahoaka malagasy rehetra. Tsy hangoron-karena hampanankarena azy no andraikiny, fa hampanankarena ny vahoaka malagasy.

Eto ny lainga afafin’i Andry Rajoelina indray, no mibaribary toy ny vay an-kandrina. Nankany Sambava ny filohampirenena, ary natao izay hahafeno olona nitsena azy, ka atao toy ny mandeha tsara daholo ny toe-draharaha rehetra toy ny mikasika ny lavanila kanefa “tsy misy raha manjary”. “Numéro 1 amin’ny communication amin’ny lainga; depuis 60 ans, tsy mbola nahita zaho filohampirenena mahay mandainga toy ny filohampirenena ankehitriny, … spécialiste, exemple”, hoy ihany ity depioten’i Toamasina I ity. Mitantara ny fomba nahatongavan’i Andry Rajoelina nijery ny fandehanan’ny asa tamin’ny lalampirenena RN2 izy. Angidimby roa no nampiasaina tamin’izany. Rehefa nivoaka avy tao anatin’ny angidimby ny filohampirenena dia niditra ny fiara ary nalaina sary. Vantany vao vita ny sary dia nivoaka teo noho eo ihany ary niditra ny angidimby dia lasa. Hita amin’izany ny saina fositra entin’i Andry Rajoelina mitondra firenena, mamitaka olona amin’ny alalan’ny serasera, mandiso ny tena zava-misy.