Eliana Bezaza – Tokony hiala ny fitondrana Rajoelina fa tsy mahay mitantana

Stefa

Anisan’ny nanatrika ny fikaonandoha nokarakarain’ny Vondrona Panorama, sy ny depiote Roland Ratsiraka tetsy amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha ny sabotsy teo, ny sekeretera nasionalin’ny antoko PSD, Eliana Bezaza. Rehefa tsy mahay mitantam-pirenena izao fitondrana Rajoelina izao dia tokony hiala hoy izy.

Nanao fanakianana mavaivay izy ny fanomezana ny Volan’ny Malagasy, ho tantanan’ny Kabinetra “Rothschild and Co “. ” Tsy Mbola hita tao anatin’ny 60 taona hoy ity Kandida Filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 ity izany fanomezana vola ho tantanan’ny vahiny izany, hozatry ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy io, ka tokony ny Malagasy ihany no hitantana an’io. Maro ny Malagasy mahay sy nianatra momban’ny fitantanam-bola eto ka maninona tsy ireny no antsoina na any ivelany na eto an-toerana “.

Nohamafisin’ity lehiben’antoko Politika ity, fa tsy tokony handrihandry manana aretina ny vahoaka Malagasy, satria tena efa eo am-bavahaonan’ny fahafatesana ny Firenena, na amin’ny lafiny Ekôlôjika indrindra fa amin’ny lafiny Politika sy toekarena, satria tena tantely afa-drakotra sy eo an-tanan’olombintsy ny harem-pirenena.