Fanitsiana ny rafitry ny CENI sy ny HCC – Miantso ny FFKM hanao fikaonandoham-pirenena Ravalo

Helisoa

Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fikaonandoha nokarakarain’ny vondrona PANORAMA, fikambanan’ny antoko politika maromaro, izay nampitondraina ny loha-hevitra “Mihemotra i Madagasikara, inona no vahaolana hialàna amin’izany?” Mpanao politika maro no namaly ny antso, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny vondron’ny mpanohitra eto Madagasikara RMDM, izay anisan’ny nampakatra ny lanjan’ny fikaonandoha. Nahanjahanjan’ireo mpandray anjara tamin’ny ady hevitra tamin’ity hetsika vondrona Panorama sy Roland Ratsiraka ity ny tsy fahaiza-manaon’ny fitondrana Andry Rajoelina. Samy nitondra ny heviny ny rehetra ary tsy nitsitsy. Ka anisan’ireo nitondra ny heviny, mahatonga izao fahantrana lalina tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izao, ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana.

Tany amboalohany dia efa hita tsy manaja ny Lalampanorenana toy ny anakandriamaso i Andry Rajoelina, ary miverimberina manitsaka izany. Noho izany dia tsy hisy mihitsy ny “bonne gouvernance” na fitondrana tsara tantana. Rehefa misy olona manao heloka ka mitovy, dia mitongilana izy. Ny valifaty no tena betsaka. Tsy mahay mandala ny fitantanana mitovy na “même pied d’égalité”. Itsahina ny haja aman-boninahitra tokony hananan’ny Praiministra na koa DG, “tonga dia alefa”. “Tsy hahavita na inona na inona mihitsy isika raha tsy any amin’ny fametrahana tsara ny rafitra, ka handeha tsara any amin’ny safidimbahoaka hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Ianareo ve dia mieritreritra fa mahaleo tena io CENI io? Azy daholo ny andrimpirenena rehetra. Nanao antso avo aho tany Toamasina mba ho lazaina ny hery velona rehetra. Miantso ny ray aman-dreny am-panahy: FFKM, aho hanao fikaonandoham-pirenena toy izao hanitsiana ny rafitry ny CENI sy ny HCC, satria rafitra tsy mahaleotena sy mitanila ireo. Tany Afrika Atsimo aho ary mahalala tsara ny mikasika ny Lalampanorenena. Manana ny hasiny ny mpanao gazety. Manana ny zo maha-izy azy ny kandida. Tokony hanana ny solontenany izy ireo. Aiza ve ka ny HCC ihany no hilaza sy hitsara hoe iza no lany eo. Ny prezidà amin’izao fotoana izao efa mahalala fa hirotsaka i Andry Rajoelina ary izy no hanondro azy eo. Majoritaire izy. Aza mieritreritra raha io firafitra io. Izy tsy nanaja Lalampanorenana, tsy nitondra ny baiboly. Gouverneur izany tsy ao anaty Lalampanorenana. Ny fitsarana, raha ny azy no manao diso dia miala ho azy, fa raha ho an’ireo tsy miaraka aminy dia valifaty. Matahotra fifaninanana izy ireo. Mijoroa hatramin’ny farany isika.