Morondava faritra – Menabe Toa hafenina ny tarehi-marika momba ny covid-19

J Patrick

Manomboka miha-mahazo vahana ato Morondava faritra Menabe, nanomboka ny faran’ny volana oktobra teo iny ny valanaretina coronavirus ary nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia efa maherin’ny 60 eo, ireo manaraka ny fitsaboana ary sekoly miisa 3 no voatery nampiato ny fampianarana ao aminy, noho ny fisian’ny tranga tamin’ireo mpianatra ao aminy.

Hatreto anefa dia tsy misy ny vaovao avy amin’ny tompon’andraikitra, mikasika ny fivoaran’ny valanaretina covid19 aty Morondava, fa toa mifanilika tsy misy sahy milaza ny zava-misy marina, fa anjaran’ny ministera hono mamoaka ny antotanisa, hoy ireo tompon’andraikitra aty an-toerana hatreto, na dia hita fa mitombo isan’andro aza ireo voan’ny covid19 aty Morondava dia hita fa mifanilika amin’ny fampiharana, sy fandraisana fanapahan-kevitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Koa ahiana ny mbola hiakaran’ny antotan’isan’ireo mitondra ny tsimokaretina, sy hiparitahan’ny valanaretina ato Menabe ary mety hisian’ny fihibohina indray aty Menabe, satria dia hita fa tsy mavitrika amin’ny vaksiny ny olona aty, eo ihany koa ny goragora amin’ny fanarahana ireo fihetsika sakana hiarovana amin’ny covid 19; na dia mitombo andro aman’alina aza ireo voan’ny covid19 dia mahagaga fa dia mbola mitohy hatrany ireo hetsika famoriam-bahoaka, izay azo antoka fa fotoana hiparitahan’ny covid19.

Hatreto na dia efa maro be aza ireo fantatra fa voan’ny corona virus dia tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ireo tompon’andraikitra aty antoerana, afa-tsy ny fanentanana ihany. Nefa ny zava-misy efa tsy vitan’ny fanentanana irery ihany intsony, ka lasa ny sain’ny rehetra hoe fa maninona no hafenina ny antontan’isan’ireo olona mitondra ny valanaretina? Maninona no tsy sahy manapakevitra ireo tompon’andraikitra manafoana ireo hetsika mamory olona ireny?