RY MPITANDRO FILAMINANA

Ry miaramila, ry zandary, ry polisy mpihetraketraka,
Zatra ny mampiasa hery fa toa tsy mahay mipetraka.
Mba meteza handanjalanja, saino ihany izay atao,
Sao lahy hivaly sy hifotitra amin’ireo taranakao!

Tato ho ato dia nanjaka ny fanaovana herisetra.
Be ‘nareo no nikoizana tamin’ny fomba sy ny toetra.
Tao ireo tena nampijaly, (toy ny olon-tsy misaina!)
Saingy mba tsarovy ihany, tsy anareo anie ny aina!

Olona tsy mbola meloka fa vao entina hotsaraina,
Dia efa tena matin-daroka, mila hiala hatramin’ny aina.
Mba sekoly taiza re no nampianarana an’izany,
Fa dia tena hafa loatra sy ikoizana eran-tany!

Dahalo, indreo manao ny ataony, tena mampihorohoro,
Fa manafika tanàna, dia mandroba sy mandoro,
Nefa dia tsy misy hafitsoka iretsy maro aminareo.
(Toa vava fotsiny no betsaka, tsisy hapoaka nony avy eo!)

Potika ny firenena, miaina anaty fahalovana.
Ireo mpitondra ambony hatrany no matetika arovana,
Fa ireo vahoaka tsotra, very mpiaro sy mpiahy,
Satria ‘nareo mba nantenainy no niofo ho jiolahy!

…Mbola ho azonay vahoaka itokiana sy iankinana
Ve ‘nareo rehetra ambara ho mpitandro filaminana?
Raha “eny” dia meteza hiova fomba sy famindra:
Mba ho “marina” sy “mendrika” fa izay no tsara indrindra!

TSIMIMALO (09-11-21)