Filoha Ravalomanana Mivonona amin’ny fifidianana rehetra ho avy ny TIM

Helisoa

Nisy ny fivoriambe nataon’ireo ben’ny Tanàna Tiako i Madagasikara (TIM), sy ny mpanolotsaina manerana an’i Madagasikara omaly, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM, tao Bel’Air Ampandrana. Tonga maro ireo olomboafidy, na misy tena alavitra aza ny toerana misy azy ireo toy ny avy any Toliara; Akondromena Miandriavazo, avy any Alaotra Mangoro, sns… Tao anatin’izany ihany koa dia nisy ireo ben’ny Tanàna tsy miankina nisafidy ny hiaraka amin’ny antoko TIM.

Nanome voninahitra ny fotoana tao an-toerana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM ny filoha Marc Ravalomanana sy ny birao politika nahitàna ny sekretera jeneralin’ny TIM Rina Randrimasinoro, ny mpiaramiasa aminy mandrafitra ny birao. Nisy ny hafatra mafonja niantefa tamin’ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina nandritra ity fivoriana ity nataon’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny birao politika. Manana andraikitra sy anjara toerana lehibe eto amin’ny firenena ny kaominina nifidy anareo ary indrindra ao amin’ny antoko politika TIM, ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.

Manana anjara toerana lehibe tokoa ianareo hoy ny filoha Ravalomanana ary tsy azo atao ambanin-javatra satria efa manana ny traikefa eo amin’ny fiaraha-miasa miaraka aminareo ny any amin’ny fototra sy ny filohan’ny antoko, satria tamin’ny fotoan’androny dia izaho hoy ny filoha Ravalomanana no nanome hasina ireo filohampokotany rehetra tamin’izany fotoana izany. Ny mpanolotsaina ny Tanàna amin’ny maha mpikambana azy ireo ao amin’ny antoko TIM no mpitondra tenin’ny antoko eny anivon’ny kaominina nifidy azy ireo. Izy ireo ihany koa dia manana andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana izay filàn’ny vahoaka tsy ankanavaka eny amin’ny kaominina misy azy; izany hoe tena akaiky ny vahoaka. Noho izany, andraikitra lehibe iantsorohanareo izany hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia tokony tsy hanara-drenirano izay teny midina avy amin’ny ben’ny Tanàna ianareo mpanolotsaina, fa tsy maintsy mandinika tsara izay mahasoa ny vahoaka. Tsy handroso mihintsy ny kaominina misy anareo raha toa ka tsy misy ady hevitra sy fijerena ny tombontsoam-bahoaka ny fanapahan-kevitra raisinareo. Amin’ny maha olom-pirenena anareo hoy ny filoha Ravalomanana dia manana andraikitra eo amin’ireo adidy samihafa eo amin’ny kaominina sy ny fokontany misy anareo. Ianareo mpanolotsaina no fitaratra ho an’ny vahoaka ary tokony hanampy azy amin’ny andraikitry ny olompirenena tsirairay.

Manaraka izany, eo ampanomanana fifidianana isika izao. Izany anefa dia miainga any amin’ny fokontany indrindra ny fanaovana ny lisi-pifidianana. Manana andraikitra amin’izany ianareo olomboafidy hoy ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Indrindra amin’ny fisorohana ireo izay manana hevi-dratsy hanao hala-bato indray. Anjaranareo ny manentana ny olom-pirenena, mba ho vanona fa tsy ho voavidy amin’ny fanomezana kely tsy mahavita taona akory, nefa ho vidiana lafo mandritra ny 5 taona farafahakeliny

Amin’ny maha antoko mpanohitra ny antoko TIM dia manana andraikitra ihany koa ny olomboafidy rehetra. Sahia ianareo milaza ny marina sy mamaky bantsilana ireo fitantanana tsy mahomby eo anivon’ny kaominina sy fokontany eny . Manana ny anjara toerana ihany koa ianareo ao anatin’ny Redynamisation ny antoko, satria ianareo no akaikin’ireo mpikambana fototra ka ilaina noho izany ny fandraisanareo andraikitra. Ilaina hatrany hoy ny filoha Marc Ravalomanana ny fanarahana ny fitsipi-pifehezan’ny antoko na ny discipline, fa izay no maha antoko TIM antsika. Tandrovy lalandava ny firaisankina, ary katsaho hatrany mba haharitra ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpikambana sy eo anivon’ny vahoaka nifidy anareo. Tao anatin’ny fivoriana dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny filoha Ravalomanana sy ireo ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina, nahafahana hanao ny ezaka rehetra hahafahan’ny antoko TIM hiatrika ny fifidianana rehetra ho avy indray.