EDITO 13 Novambra – Tsy ampy ny fanomezan-danja ny manam-pahaizana malagasy

Sôh’son

Sarotra ny hiheverana ny amin’ny ahitana risipon’ny olom-pirenena, sy ny amin’ny fiaraha-mientany anaty fitiavany ny tanindrazany ny fampivoarana ny firenena. Noho ny fahitany ny zava-misy no anton’izany. Saika avy amin’ny fitondrana hatrany no fototry ny olana.

Ny tsikaritry ny mpanara-baovao, dia eo hatrany ilay fanomezana vahana ny vahiny eo amin’ny fiaraha-miasa aminy. Asa izay tokony ho vitan’ny teratany Malagasy tsotra izao. Ny farany nahabe resaka izao, dia ilay vondrona orinasa vahiny nambara tamin’ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra farany teo. Nanambara ny mpahay toekarena Malagasy iray, fa maninona raha manam-pahaizana ara-toekarena rehetra eto amin’ny firenena no nantsoina, dia mivory ao anaty roa andro, dia hita ny sori-dalana manahirana ny fitondrana, toy izay handany volabe amin’ity orinasa vahiny ity?
Tsy amin’io ihany no tranga toy izany fa efa nisy teo aloha. Nanahiran-tsaina ny maro, ohatra, ny tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana, sy ny amin’ny momba ny fanafarana vaksiny. Tsy teratany Malagasy na ny fitondrana no nitarika ny fivoriana sy ny dinika momba izany fa vahiny. Nampieritreritra fatratra ireny tranga ireny.

Be manam-pahaizana eto amin’ny firenena, kanefa ny fitondrana tsy hita ho manana finiavana sy miezaka mitady rindran-damina ny amin’izay hanomezana sehatra azy ireny, sy ny hitondrany anjara biriky marina ho valim-babena ny firenena. Toa tsy hain’izao fitondrana izao ny manao asa mifandray amin’ny ezaka vitan’ny manam-pahaizana vita fianarana eto. Ny avy any ivelany, vita fianarana tany, matetika tsy mahavita manao asa mivantana mifandraika amin’ny zava-misy marina eto amin’ny firenena sy ny iainan’ny sarambambem-bahoaka andavanandro. Zary, ny ankamaroany, soa fa tsy izy rehetra, dia mihevitra ny fahaizana amam-pahalalana norantoviny avy any entina hampandrosoana ny firenena dia mety avokoa. Raha nety izany, efa ela ity firenena ity no nisandratra satria firifiry akory ireo manam-pahaizana Malagasy nandranto fianarana tany ivelany izay, fa mbola gisitra miohatra amin’ny firenena manerantany i Madagasikara. Misy tsy milamina ao izany.

Koa raha mihevitra ny hanandratra marina ity firenena ity, dia mila mijery ny manam-pahaizana eto firenena ary vita fianarana eto. Raha omena lanja ireo sy atao tomponandraikitra tokoa, fa tsy atao toy izao, dia hisongadina aminy ny toe-tsaina tia firenena sy ho saropiaro amin’ity firenena ity.