Tsy voafehin’ny fitondrana intsony ny vidim-piainana

Andry Tsiavalona

Misafotofoto ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra intsony inona no tian’ny fitondrana atao, satria tsy fahaizana ve sa iniana atao ny fitantanana ity Firenena ity amin’izao endriny izao? Tsy voafehy intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana na dia nidradradradra aza tamin’ny fotoan’andro, fa telo andro dia tsy maintsy midina ny vidin’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Rehefa tsy tafita izany dia nanafatra sakafo amin’ny sambo miisa roapolo. Mbola tsy hita ihany koa izay tohiny ary ny fantatra dia orinasa miankina amin’ny fanjakana, SPM, no omena alàlana hanafatra izany. Azo inoana fa misy olona ao an-dapa ao no mitantana ity orinasa ity, ka ny tombony amin’izany dia tsy mazava na harotsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, na halefa any amin’ilay antsoina hoe “paradis fiscal”, na any amin’ny kaontin’ny manampahefana any ivelany any.

Miakatra izay tsy izy ny vidin-kena tato ho ato: ny henomby sy hena kisoa izany, miakatra manaraka izany koa ny vidin’ny akoho amam-borona. Ny vidin’ny fitaovana isan-karazany fanaovan-trano ihany koa, midangana izay tsy izy ankehitriny. Efa nambara teto amin’ny gazety izay fa: tsy rariny intsony ity vidina simenitra sy vidina vy ity,…

Mbola mitohy ihany ny serasera momba ilay fananganana ny fitateram-bahoaka eny amin’ny habakabaka, “téléphérique”, na dia tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka aza izany. Tsy misy olona hahazaka izany saran-dàlana telo arivo na efatra arivo ariary izany eto amin’ny Firenena. Tsy hanova ny fitohanan’ny fiara eny amin’ireo làlam-pirenena mivoaka ny renivohitra ireny: Ankadimbahoaka, Anosizato, Ambohibao, Mahazo, Analamahitsy. Raha ny “bus class” no resahina dia mety amin’ny olona sasany ny saran-dàlana, satria voatery miova taksibe in-telo izy satria ireny olona ireny dia mety miova ka sady tsy lany fotoana izy raha izay ny zava-misy. Ambonin’izany dia tsy mbola lany tao amin’ny Antenimiera roa tonta ny fisamboram-bola dimampolo ambizato tapitrisa euros kanefa maro an’isa moa ny depiote sy loholona, izay tsy mandinika lalina fa mananga-tànana andaniana ny rendrarendran’ny filohan’ny Repoblika hatrany. Distrika efatra ao anatin’ny tanànan’Antananarivo ihany no hisitraka izany kanefa ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy no hibaby io trosa be io.

Raha ny fampihenana ny fitohanana tokoa no tanjona dia efa tao anatin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika ihany ny hanaovana “fly over” amin’ireo toerana misy fitohanana voatanisa etsy ambony ireo, ka raha izany vola hindramina hanaovana “”téléphérique” izany dia hahavitana manangana “fly over” folo. Raha laharam-pamehana no asian-teny dia ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere any Atsimo, no tokony hihazakazahana ny fanalefahana na ny fanafoanana izany mihitsy aza. Ny mampanahy ihany koa dia sao dia efa brokatera toy ireo lohamasinina novidiana ho an’ny zotra Fianarantsoa-Manakara (FCE) sy ny “Airbus 340” ho an’ny Air Mad izany “téléphérique” izany, ka ho voa roa toy ny dakam-boriky indray ny Firenena efa mahantra ity, ka ny eo tsy misy mandeha amin’izay laoniny kanefa ny trosa babena ihany.

Tsy misy mangirana ihany koa, iza no hitantana ity fitateram-bahoaka ity, ny kaominina Antananarivo renivohitra, sa ny fitondrana satria volam-bahoaka no miady ao. Tsy mampiova na inona na inona ihany koa ny nananganana ny kianjan’i Mahamasina satria tsy mbola nisy vola niditra hatramin’ny nitokanana azy, ankoatry ny vidina tapakila tamin’ny lalaon’ny ekipam-pirenena gasy nihaona tamin’ny Ethiopiana. Araka ny fantatra dia homena orinasa tsy miankina ny fitantanana ity kianja ity kanefa dia fananan’ny tànanan’Antananarivo madiodio izy io. Azo inoana fa tandapa indray no homena ny fitantanana, ka tsy hisy hijanona eto indray ny vola hiditra fa hivoaka antsokosoko any ivelany toy ny vola vahiny niaraka tamin’ny volamena 73, 5 kilao.

Hanofa fiaramanidina hono ny kaompaniam-pirenena Air Mad amin’izao fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara izao. Mandritra ny efatra volana no hanofana fiaramanidina satria amin’izay vao ho vita ny fanamboarana ny Airbus 340. Ny manahirana dia nahoana no tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharan’asan’ny mpitondra ny fanarenana ity orinasam-pirenena ity tao anatin’izay telo taona izay, fa efa miala aina ny orinasa vao mitady vahaolana.

Mampanahy ny maro ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina Andry raha ny sehatra isan-karazany izay azo antoka fa hampiakatra ny harin-karena satria navelany ho potika avokoa, ka anisan’izany ireo orinasa mpanao siramamy, ny Secren any Antsiranana, sns,… Tokana ihany ny fomba hanavotana ity Firenena manankarena ity kanefa tsy mahavelona ny mponina ao aminy dia ny fanoherana sy ny tsy fanekena intsony ny fanaovan’ny mpitondra izay tiany atao hampahantra ny vahoaka, fa hampitomboiny ny miditra any am-paosiny sy ny mpiray petsapetsa aminy.