Morondava – Manao fijery mitanila ny ministry ny fanatanjahantena

J. Patrick

Manao fijery mitanila ny minisitry ny fanatanjahantena, satria nandeha nisolotena ny faritra Menabe tany amin’ny champion’s league poule des As ny club Grand Sud Est dia tsy nampian’ny ministra, satria voalaza fa tsy tiany ny anaran’ilay tarika, nefa ireo no nibata ny amboara ny championnat régional, na tompon-dakam-paritra tany Menabe. Araka ny vaovao voaray nilaza ity ministra zanak’i Menabe ity, fa mila ovaina aloha hono ny anaran’ilay club izay izy vao hanampy, nefa mbola izy no filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Menabe aloha hatramin’izao. Ny ekipan’ny volley-ball kosa dia nahazo 1.500.000 Ariary rehefa nangataka hisolotena ny faritra Menabe tany Antananarivo, satria maro akamakama ao amin’ny volleyball sady avy ao Morondava daholo ireo mandrafitra ny ekipan’ny volley-ball, raha ekipan’i Mahabo kosa izay nahazo ny tompondakan’ny faritra Menabe ny Grand Sud Est. Ankoatr’izany, tapitra ny volana oktobra teo ny 4 volana nolazain’ny ministre Tinoka Roberto hahavitan’ny Stade manara-penitra aty Morondava, hatreto anefa dia tsy misy raha miova firy. Ny ministra Hawel izay nandimby azy dia tsy mety manome fe-potoana, fa dia ny hoe tsy maintsy vitako io, izay foana no avaliny raha anontaniana ny hahavitan’io ary miovaova foana ny antony lazainy. Taraiky ny fahavitan’io tamin’ny voalohany, nilaza izy fa vola ny olana, satria tsy mitovy ny devis natao sy ny zava-misy amin’izao , izao indray izy niteny fa olana technique, satria diso ny étude nataon’ireo teknisianina, ka mila mitady hevitra, satria ho dobodrano io kianja io rehefa ho avy ny orana. Farany ny mpiasa miasa amin’ny fanamboarana io kianja manara-penitra Morondava io dia tsy ampy 15 akory, fa olona 12 ihany no miasa ao, sady efa feno mitriatra sahady ireo rindrina efa vita dia loko sy tampitapenana fotsiny.