Cellule de crise ny asan-gazety – Hanangana ny vovonan’ny fikambanana mpanao gazety

Stefa

Hanangana ny vovonan’ny fikambanana mpanao gazety eto Madagasikara, na Plateforme d’Associations de Journalistes de Madagasikara anio maraina hanomboka amin’ny 9 ora, etsy amin’ny Cite Ambatonakanga, ireo mpanao gazety ao amin’ny Cellule de Crise ny asan-gazety eto amintsika. Hisy noho izany anio ny fivoriambe, hananganana an’io vovonan’ny fikambanana mpanao gazety io, izay hiandraikitra ny fiarovana ny zon’ny mpanao gazety, sy hisahana ny fampifandraisana ny fikambanana amin’ny fikambanana hafa eto an-toerana, sy any ivelany koa. Ny fandaharam-potoana amin’izany, hisy ny fampahafantarana ny volavolana satan’ity vovonana ity, avy eo dia hirosoana ny latsa-bato ho fandaniana izany volavolana sata izany. Hisokatra avy eo ny fifaninanana izay ho filohan’izany vovonana izany, harahan’ny fifidianana izay ho kandidà ho filoha. Eo ihany koa ny fanendrena ny ho sekretera jeneraly, ny mpitambola ary ny mpanolotsaina momba ny lalàna. Handray anjara amin’izao fivoriambe izao ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka, na amin’ny sehatra miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana.