Rajoelina sy ny tambazotrany – Tetikady “dorotanety” na politique de la terre brulée

Miaina vanimpotoana manokana eo amin’ny tantarany i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Zavatra tsy vitan’ireo fitondrana nisesy nandritra ny enim-polo taona ho vitan’ity fitondrana Rajoelina, izy Andry Nirina Rajoelina mihitsy moa no nanambara izany. Saingy raha eboebo sy fampanantenana poakaty no eritreritra nentiny hilazàna izany, dia tsikaritra fa nanamarina tokoa ny zava-nitranga nanomboka ny taona 2009: fanimbàna, fandrodanana, gaboraraka, lainga, fanaparam-pahefana, fanagejana ny fanehoan-kevitra, jadona, fanapotehan’ny tontolo iainana,… Tsy vitan’izany fa dia nofehezin’ny mpomban’ity fitondrana ity ireo andry sy rafi-panjakana rehetra.

Tsy tongatonga ho azy izao fikorontana tanteraka izao fa iniana atao mihitsy ho tombontsoan’olombitsy fa tsy ho an’ny Malagasy maro an’isa velively. Iniana potehina daholo ny fototra ijoroana sy iorenan’ny firenena. Korontanina tanteraka ny fiainan’ny Malagasy andavanandro eo amin’ny sehatra rehetra toy ny sosialy, ny fahasalamana, ny asa, ny fanabeazana, ny fampianarana, ny fitsaràna, ny fandriampahalemana.

Tao anaty herinandro dia fanambarana roa lehibe izao no nisesy avy amin’ny filohan’ny Fitsaràna Avo (HCC) sy ny filohan’ny komity nisahana ny fifidianana (CENI). [noho ny filazàn’i Eric Rakotoarisoa fa notapahina ny teniny tamin’ny fandraisampeo ka mitazona ny didy navoakany dia esorina ny mikasika ny fanambarana nataony]. Ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, kosa dia niaiky fa nisy ny “doublons” teo amin’ny lisi-pifidianana 2018. Tsy zava-baovao moa izany satria ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, dia efa namoaka tamin’ny volana marsa 2020, fa karapanondrom-pirenena 1.162.512 no misy laharana miverimberina ary 110.629 ireo “doublons” miseho anaty lisitra.

Tambazotra goavana no tomponandraikitra amin’izao toe-javatra izao, ary isany ny filoha mpisoloky Andry Nirina Rajoelina. Mikatsaka ny fifehezana tanteraka ny firenena izy ireo, hanjaka amin’ny vahoaka Malagasy ary hampisotro ny mangidy ireo tsy mitovy hevitra aminy. Raha alalinina dia misy karazana tetikady miaramila avo lenta ao ambadika ao, ka miendrika “tetikady dorotanety” na “politique de la terre brûlée”. Tetikady fampiasa anaty ady izy ity rehefa sendra ao anaty faharesena eo anatrehan’ny fahavalo, ka dorana sy simbaina daholo ny fananana mba hanasarotana ny fanafihana. Tsy tena mitovy eto ny sary fampitahana fa eto dia vao maika ny mpanafika indray no mandoro sy manimba, mba hampadosirana sy handemena ny vahoaka ka hahafahany manangana izay rafitra tiany.

Mpisoloky fahefana ary tomponandraikitra avo ao anaty izany tambazotra izany i Andry Nirina Rajoelina. Mivoaka ankehitriny ny marina ary ho avy tsy ela ny fotoana tsy maintsy andraisan’ny tsirairay ny andraikiny. Vonovonana maro no efa mijoro ankehitry ho an’ny fahamarinana sy ny tombontsoam-pirenena, ahitàna ny RMDM, ny Panorama, ny Pro-Ravalomanana. Ny antoko TIM moa dia efa tsy lazaina intsony satria nijoro foana hatramin’izay na dia nezahina nopotehina aza, ary ny filoha Marc Ravalomanana dia efa nilaza hoe “ny andro rehetra sisa hiainako dia hatokako hanasoavako ny Fireneko sy ny mpiray Tanindrazana amiko “. Tsy hanaiky mora ary tsy hanaiky resy anefa ny tambazotran’i Andry Rajoelina. Fantatra araka izany fa tsy maintsy hisy ny velapandrika, ary ho sahiny hatramin’ny rà mandriaka aza, toy ny nasehony tamin’ny “lundi noir”. Inoana sy antenaina fa hahay hiala ny velapandrika sy hiray hina tanteraka ireo rehetra handray andraikitra ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.

Lanzelo

Eric Rakotoarisoa niresaka tamin’ny mpanao gazety
https://fb.watch/9anYGMl7sv/

Ampamoaka Itpkv Me Razoarivelo Rachelle (novambra 2018) mpikambana tao amin’ny HCC tamin’ny 2009
https://www.facebook.com/227806061106593/posts/334354970451701