EDITO 6 Novambra – Miha-halavirina ny fampihavanana

Sôh’son

Miha-halavirina ankehitriny ny resaka fampihavanana eto amintsika, ny zava-misy amin’ny fitantanam-pirenena izany, raha ny fahitana ny raharaha, dia misy olona ihazakazahana ny fanasaziana azy raha nisy fahadisoana sy heloka vitany, fa misy kosa na dia niharihary izao aza ny nataony, dia mangatsiatsiaka tsy misy arakaraka. Misy mihitsy aza voarohirohy amin’ny raharaha tsy mazava, fa nalefa nialokaloka any ivelany ary mbola mitàna andraikitra ambony amin’ny orinasam-panjakana. Ny tsikaritra, rehefa tsy miara-dia amin’ny fitondrana, dia enjehina sy mitanty ny vokatry ny nataony; fa rehefa olony sy mpanohana azy, dia afa-maina ary zary arovana omena toeran-kafa. Firenena inona no ho vanona amin’izany fitantanana sy fomba fitondrana izany ?

Raha ny fahitana ny raharaha, dia ezahina ho rantsanana araka izay tratra ny momba ny Tale jeneralin’ny Cnaps, izay filohan’ny federasiona amin’ny baolina kitra Arizaka Rabekoto Raoul. Niaraha-nahita ny vavabe nataon’ny filohan’ny Repoblika teny Ivato, sy ny fihetsik’ireo lehibena ligy nanohitra azy, ary dia izao mipàka any amin’ny sazy amin’ny asany izao ny farany. Asa mbola hisy ve ny tohiny amin’ny sazy momba azy? Toy izany koa ny nanjo an-dry Mbola Rajaonah, sy ny hafa…

Etsy ankilan’izany, maromaro ireo olona miara-dia amin’ny fitondrana, voarohirohy tamin’ny raharaha maloto, toy ny “écran plat”, ny “bonbons sucettes”, ny raharaha volamena 73,5 kg, ny volamena saika naondrana any Dubaï, sy ireo vatosoa sarobidy samihafa niondrana an-tsokosoko any ivelany, ny raharaha Smmc tany Toamasina, ny raharaha nahafaty mpianatra tany Toamasina sy Toliara, sns… Tsy hita izay tohin’ny raharaha fanadihadiana hatramin’izao, tsy fantatra izay tomponandraikitra, fa olon’ny fitondrana ny ankamaroan’izy ireny.

Raha mihevitra ny fitondrana sy ireo olona miara-dia sy misolelaka aminy, fa mizotra amin’ny tokony ho izy sy mandeha tsara ny raharaha, dia diso hevitra izy ireo. Tsy hahasoa ny firenena sy ny taranaka any aoriana ny fomba fiasany izao, fa misy fitanilana. Raha mbola misy fanavahana ny fomba fitantanam-pirenena, ny fanavahana vahoaka mpomba sy tsy mpomba, sns… dia tsy hahavanona ny firenena izany, fa mitondra azy ho any amin’ny lavaky ny hantsan’ny tsy firaisankina. Raha izany sanatriavina no mitranga, dia tena tandindomin-doza ny firenena. Tsy misy afa-tsy ny fizorana sy ny finiavana hametraka ny fihavanana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana ihany, no lalana mahomby hahasoa ity firenena ity. Ny komity iay misahana iay fampihavanana izay eto amintsika: ny CFM, tsy hita taratra loatra izay tena asany amin’ity resaka fampihavanam-pirenena ity.