Mihantsy vahoaka hatrany ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Fantatr’izao fitondrana izao ny toetsain’ny vahoaka Malagasy avy amin’ny fandinihana ny niainany, nanoloana ny fanoherana ny tsy rariny sy ny famoretana ary ny fanitsakitsahana ny maha olona azy. Rehefa nanafika teto ny mpanjanaka dia nisy ny tia tanindrazana nanohitra izany kanefa dia nilefitra izy ireny noho ny hery tsy nitovy. Nitolona niady ny fiverenan’ny fahaleovantena ny MRDM tamin’ny 1947 kanefa dia tsy nahomby izany, satria iaraha-mahatadidy, fa nisy ireo mpamadika ary nisy koa ireo notifirin’ny mpanjanaka, ka nilefitra sy nisitrika tany anaty ala ireo sisa velona. Tsapan’izao fitondrana izao koa, fa olona tia filaminana sy manana ilay fisainana « izay mahasoa ataon’Andriamanitra » ny Malagasy. Nisy ireo « tolona » nifandimby taorian’ny namerenana ny fahaleovantena kanefa niavaka indrindra ny tamin’ny 2009, izay miaramila nihoko no nanongam-panjakana fa tsy nisy « hetsi-bahoaka » araka ny ilazana azy hatramin’izao. Izao mpitondra izao no nitantana ny Firenena nandritra ny dimy taona nipetrahan’ny tetezamita, izay lasa ara-dalàna araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana taorian’ny fifidianana ny taona 2019. Tsapa amin’izao fotoana izao, fa tena mihantsy ny vahoaka malagasy mihitsy izao fitondrana izao amin’ny zavatra ataony. Tsy takona hafenina ny fanitsakitsahana ny lalàna rehetra manankery, kanefa tsy misy fanenjehana azy ireo noho izany. Etsy ankilany anefa raha vao ny vahoaka tsy mandadiharona na mpanao politika mpanohitra no mandika lalàna dia samborina sy gadraina, itsy farany dia azo inoana fa baiko avy amin’ny filohan’ny Repoblika no midina, ka manatanteraka fotsiny ihany ny mpitsara. Tsy mahagaga raha mahazo laka ny fitsaram-bahoaka, satria tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny olompirenena. Ny fahadisoam-panantenana ihany koa dia miteraka tsy fahatokisana izay nampanantena. Maro ireo famapanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina nanomboka tamin’ny fampielezankevitra kanefa tsy misy tanteraka ireny hatramin’izao, efa ho efatra taona nitondrany izay. Nihevitra izy fa hanadino ny fampanantenana nataony tamin’ny tantsaha hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila raha nikarakara fety tany Sambava ny herinandro lasa teo. Notaterina ny olona, nanampi-maso ny tantsaha avy any amin’ireo distrika ao anatin’ny faritra nisitraka izany sy nitehaka ny filohan’ny Repoblika. Raha ny fahitana azy anefa dia tsy nahafaly ny vahoaka loatra izany, satria ny fampiakarana ny vidin’ny lavanila eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany no takian’ny tantsaha. Tsy manana fahefana amin’izany anefa ny filohan’ny Repoblika ka ny vidin’ny lavanila maintso no azony noferana. Araka izany dia azo antoka fa tsy mahatoky izao fitondrana izao intsony ny tantsaha any amin’iny faritra SAVA iny. Misehoseho sy miedinedina ery ny filohan’ny Repoblika rehefa mitokana fotodrafitrasa etsy sy eroa, satria toa te-hilaza izy fa manam-bola izao fitondrana izao. Ny zava-misy anefa dia tsy voaloan’izao fitondrana izao ny karaman’ny mpiasa any amin’ireo orinasam-pirenena, Air Mad, SIRAMA, CNAPMAD, sy ireo mpandraharaha nikojakoja sy nanamboatra làlana, sns,… Araka izany dia fihantsiana atao amin’ireny mpiray firenena aminy ireny izany ny fitokanana fotodrafitrasa, izay nandaniana vola be kanefa tsy hiteraka vokatsoa ho an’ny vahoaka, fa fisehosehoana ivelany ihany. Midika ho fihantsiana ny vahoaka ihany koa ny fanamparam-pahefana ataon’ny olom-boatendry indrindra indrindra. Porofon’izany ny antsojay natao tamin’ny filoha Ravalomanana Marc, tsy indray mandeha fa efa fanintelony na faniefany izao. Ankoatry ny maha olompirenena malagasy azy, izay manana zo feno afaka mivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Magagsikara dia manana sata manokana izy amin’ny naha Filoham-pirenena azy teo aloha. Tsy fihantsiana an-dRavalomanana Marc manokana izany nataon’ny governoran’ny Faritra Atsinana izany, fa fihantsiana ny mpomba azy ihany koa. Tsy manaiky ny fomba nanatanterahana ny fifidianana izay itantanana ny holafitry ny mpanao gazety ny ankamaroan’ny mpanao gazety, kanefa dia natao hamboletra izany. Vita koa ny famindran’asa teo amin’ny filohan’ny holafitra vaovao sy ny teo aloha kanefa dia fihantsiana ny mpisehatra eo amin’ity fahefana fahaefatra ity raharaha ity. Sady efa tsy miandany amin’ny tantsaha ny toetr’andro amin’izao fotoana izao kanefa dia teren-dRajoelina Andry hampidinina indray ny vidim-bary, ka nanafatra vary avy any ivelany izy. Fihantsiana ny tantsaha koa izany, satria famonoana azy ireo an-kolaka no ataon’ny fitondrana. Laniana amin’ny fitaterana sy “per diem” ary sakafo be ho an’ny delegasiona ny volam-bahoaka. Ny vahoaka kosa dia ampifalifaliana sy tampena-maso amin’ny fampisehoana ataon’ny mpanakanto sy ny fahafinaretan’ny maso amin’ny afomanga. Tsy ho ela anefa dia ho “valala be mifoha” amin’izay ny vahoaka Malagasy nolazaina hatramin’izay fa “valala be mandry”.