06 NOVAMBRA 1995 – 06 NOVAMBRA 2021 – Mbola mitohy ny fanotana fady ny Rova, 26 taona aty aoriana

Ny Valosoa

Nampivarahontsana ny zava-nitranga ny Alatsinainy 06 Novambra 1995 nahamay ny Rovan’Antananarivo, latsa-dranomaso i Madagasikara manontolo, satria kila hotohoto tao anatin’ny ora vitsivitsy ireo harentsaina nampiavaka ny firenenentsika.

INONA NO ZAVA-NITRANGA ?

Raha tsiahivina ny zava-nitranga teo amin’ny lafiny politika, dia nahazo ny fahefana feno ny Filoha Zafy Albert hanendry mivantana ny Praiminisitra, satria nandresy ny ‘’Eny’’ tamin’ny fitsapankevibahoaka nampanaoviny, ny Dr Rakotovahiny Emmmanuel no voatendry ho Praiminisitra. Ny Alahady 05 Novambra 1995 dia notanterahina ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna manerana ireo kaomina rehetra teto Madagasikara. Andriamatoa Razanamasy Guy Willy no voafidy teto Antananarivo Renivohitra.

Ny ampitso Alatsinainy 06 Novambra 1995 tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany dia nisy haintrano nitranga tao amin’ny Minisiteran’ny Fitantanambola, saingy nalaky voavonjy, antonta-taratasy sy solosaina vitsivitsy no may tao, marihina fa mbola tsy nijoro ny governemanta notarihan’ny Praminisitra Rakotovahiny tamin’izany, fa ny Praiminisitra Ravony no mbola teo sady izy koa no minisitra niandraikitra ny fitantanambola.

Ny harivan’io Alatsinainy io no nirehitra ny Rovan’Antananarivo, niolomay niezaka namono ny afo ireo vahoaka marobe tonga teny an-toerana saingy haingana loatra ny fidedaky ny afo, ka sarotra ny famonjena, ny famoahana ireo entana azo navotana sisa no natao.

Tohina ny fon’ny rehetra, taitra avokoa ny hambompon’ny tsirairay ary samy nanana fahavononana hitondra ny anjara birikiny hanarenana ilay Rova, maro ireo fikambanana nitsangana nanao fanangonambola, azo lazaina hoe nisafotofoto ihany ny fahitana ny toedraharaha, satria samy nisisika ny hanao avokoa ny rehetra, tsy nisy nanaiky ho gisitra.

NANOMBOKA NY FANARENANA

Voafidy ho Filohan’ny Repoblika ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2002, nandray fanapahankevitra ny fitondrana notarihany nampitsahatra ny fanangonambola momba ny Rova sy ireo asa fanarenana madinidinika.

Ny taona 2005 nahafeno 10 taona ny nahamay ny Rova vao nanambara ny Filoha Ravalomanana, fa atomboka amin’izay ny fanarenana, natsangana ny Filankevi-pirenenan’ny Vakoka, dia io tokana io ihany no afaka mandray ny fitia tsy mba hetra rehetra momba ny Rova.

Ny Sabotsy 05 Novambra 2005 no nentina ambavaka tao amin’ny Fiangonana Tranovato Anatirova ny fanarenana, nanatrika izany ny Filoha Ravalomanana Marc, marihina fa ny trano fiangonana no tafarina voalohany satria nahazo famatsiambola tamin’ny LMS.

Nanomboka teo dia nanao tsy omby aloha ireo nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanarenana, nandray anjara avokoa na mpianatra, mpiasa, tsy an’asa, fianakaviana, orinasa malagasy sy vahiny, masoivoho sy fikambanana iraisampirenena, ny tany ivelany dia samy nanao izay ho afany ireo teratany malagasy mpila ravinahitra tany dilambato sy ireo vahiny nahafantantra ny lazan’i Madagasikara sy ny lanjan’ny Rova.

Nizotra ara-dalàna ny fanarenana ary nanjaka tanteraka ny fangaraharana teo amin’ny fitantanana ny vola sy ny ho entimanana, vetivety dia tafarina ny Lapan’i Manjakamiadana.

TSY NARISIKA TAMIN’NY FITIA TSY MBA HETRA INTSONY NY MALAGASY

Nony tonga ny taona 2009 nisian’ny fandrobana fahefana nataon-dRajoelina sy ny forongony, dia nihisatra ny fanarenana, ireo vahoaka malagasy izay nanana risi-po dia lasa nalaina tanteraka tamin’ny fandrotsahana izay foiny, na ireo mpiray firenena tamintsika tany ivelany sy ireo vahiny navitrika tamin’ny fandraisana anjara aza dia samy nanidy poketra avokoa, ny antony dia tsotra, samy tsy nahatoky ny fitondrana najoron-dRajoelina avokoa ireo tsara sitrapo rehetra na malagasy na vahiny, na ny teto an-tanindrazana na ny tany dilambato, hany ka lasa vazivazy fanaon’ireo tanora rehefa hisotrosotro sisa ny hoe: manomeza kely hanarenana ny Rova.

Nisesisesy ihany koa ireo gaboraraka izay vao mainka nahakivy ny rehetra nandritra ny fitondran-dRajoelina tamin’ny tetezamita toy ny fahamaizan’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny fahaverezan’ny Satroboninahitry ny Mpanjakavavy afa-tsy ireo fiheboeboana diso toerana nataon’ny mpitondra, toy ny fiakaran’Ingahy Rajoelina mivady teny Anatirova ny 11 Desambra 2010 nametrahana ny Repoblika fahaefatra, izay fihetsika nampiomehy araka ny fiteninjatovo, satria fitondrana repoblikana no najoro kanefa dia nitonantonana tany an-dRova fonenan’ny mpanjaka fahiny ny filoha mivady.

MBOLA MITOHY HATRAMIN’IZAO NY FANOTANA FADY

Ny Sabotsy 19 Janoary 2019 no nanao fianianana teny Mahamasina ny Filoha ankehitriny, nambara tamin’izany fa hisy ny fanapoahana afomanga teny amin’ny Rovan’Antananarivo ny hariva, ny vahoaka monina eny amin’ny faritra avo dia nitsipaka izany avokoa, satria miteraka fihozongozonan’ny trano izany, kinanjo nanao be fiavy ny orana ny hariva ka tsy raikitra ilay afomanga, fa zavatra hafa no nitranga ny alin’io nanaovan’Ingahy Filoha fianianana io, satria vatobe roa no nianjera tamin’ny toerana roa samihafa ka samy niteraka famoizan’aina avokoa izany.

Ny Alahady 27 Janoary 2019 indray dia tonga nitsidika tao Anatirova Ingahy Filoha niaraka tamin’ilay minisitra veta, nanomboka tamin’io ny fikasana hanangana ilay “colisée de la honte” tao Anatirova, ny Alahady taorian’io ny 03 Febroary 2019 dia mbola nisy vatobe nianjera indray, mbola nahafaty olona ihany koa, tankina ny rehetra ary samy nifanontany hoe: sorona ve sa ozona no miseho, satria samy nahatsikaritra ny tsy fanajana ny hasin’ireo vakoka nataon’ireo mpitondra ireo mpandala ny fombandrazana.

Tsy mbola mitsahatra ny fanosihosena ny Rova satria dia mbola tsy narodana fa mbola ao dia ao ilay “colisée de la honte”, norebirebena tamin’ny famerenana ilay Tatarompiandrianan’ny Mpanjakavavy ny saimbahoaka, kanefa ilay Satroboninahitry ny Mpanjakavavy very tamin’ny fitondrana tetezamita tsy mbola hita hatramin’izao.

Ny fanazimbazimbana farany nataon’ny fitondrana Rajoelina dia izay niseho tamin’ny 06 Novambra 2020 nahafeno 25 taona ny nahamay ny Rovan’Antananarivo, satria nofafan’Ingahy Filoha indray ilay anarana fiantsoana hatramin’izay nanao hoe Rovan’Antananarivo, ka novaina hoe Rovan’i Madagasikara hono, kanefa teo amin’ny tantaran’Antananarivo dia teo amin’io toerana io no natsangan’Andrianjaka ilay mpanjaka nanorina ny tanànan’Antananarivo tamin’ny 1610 ny Lapan’i Besakana, lapa voalohany tao Anatirova. Ingahy Ben’ny tanàna moa dia tsy tahotra tsy henatra fa naveriny nofantsihana etsy Ampamarinana ny soratra hoe Antananarivo izay azo adika hoe ny vahokan’Iarivo mihitsy no fantsihana sy havarina eny.

Marihina fa tamin’ny andron’ny 06 Novambra 2020 io dia nisy havana avy any amin’ny faritra namonjy ny lanonana tao Anatirova, no maty namoy ny ainy dia miverina indray ny fanontaniana hoe: sorona sa ozona?

FEHINY

Na nandritran’ny fitondrana tetezamita na amin’izao izy efa “filoha voafidy” izao dia tsy miova ny fihetsik’Ingahy filoha, fa mbola mitohy hatrany ny fanotana fady sy famerezan-kasina ny Rova, ny porofo mitohoka amin’ny tendany dia tsy mbola nandrenesampeo Ingahy Filoha nanambara fa harodana ny “colisée de la honte”, ilay minisitra veta tompon’andraikitra mivantana mikarakara ny vakoka sy ny kolontsaina koa tsy hita ho antenaina, satria ny tenany aza tsy hitany izay itondrany azy.