Toa tsy misy mpitsara afaka hamerina amin’ny lalàna fototra – Mivarina any anatin’ny hantsan’ny fahalovana ny firenena

Andry Tsiavalona

Toy ny Firenena tsy manana Lalàmpanorenana, mamerina ny mpitondra amin’ny làlana tsy izorany raha miviombio izy ireo, eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsapa amin’izao efa ho telo taona nitondrany izao, fa mivarina any amin’ny hantsan’ny fahalovana, eo amin’ny fitantanana ny Firenena, ka milalao ao anatin’ny kianjam-pilalaovana politika tsy misy mpitsara afaka mamerina ny mpisehatra tsy misy ankanavaka hanaja ny fitsipi-dalao voarakitra ao amin’ny Lalàna fototra mifehy izany. Na misy aza ireo fahefana telo: Fahefana mpanao lalàna, Fahefana Mpitsara, Fahefana Mpanatanteraka izay raha ny marina dia samy manana ny fiandrianany ary tsy maintsy mijoro miaro izany, kanefa raha ny tranga maro dia tsy afaka manao ny asany araka ny rariny sy ny hitsiny izy ireo, ka tsy takona hafenina intsony fa manjaka tokana ny fahefana mpanatanteraka.

Raha manara-maso ny asa voafaritry ny lalàna na ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE), izay tsy maintsy tanterahin’ny mpanatanteraka no asan’ny mpanao lalàna dia ny mifamototra amin’izany ny fampiharana. Raha tokony hanontany ny anton’ny tsy nahatanteraka na tsy nahavitan’ny tetikasa tokony ho nataon’ny departemanta minisiterialy ao amin’ny distrika nifidy azy ny solombavambahoaka dia ny mangataka na misaotra ny mpanatanteraka no betsaka. Tsy mbola nisy eran’izao tontolo izao izany depiote antsoin’ny lehiben’ny governemanta ho eny an-dapany izany, mba hivory kanefa dia nisy teto amin’ity Firenena manana mpitondra mampitodika ny mason’izao tontolo izao ho aty.

Tsy ao amin’ny Antenimierampirenena ihany no manana ny maro an’isa ny antoko miloko loranjy, fa ao amin’ireo andrim-panjakana hafa ihany koa. Ny mpikambana valo ambin’ny folo ao amin’ny Antenimierandoholona dia olon’ny IRD avokoa, ka ny lalàna rehetra tapahina ao dia araka ny baikon-dRajoelina Andry. Ny mpikambana sivy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia olon’ny filohan’ny Repoblika avokoa, ka azo inoana fa raha misy tranga ataon’ny mpitondra mifanohitra amin’ny lalàna aza dia mbola hiverina indray ilay fehezanteny somary didy “azo raisina fa tsy mitombona” na dia amin’ny endriny hafa aza.

Voatendry ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fififdianana (CENI), voatendry fa tamin’olana ihany izany, ka ny tsapa dia olon’ny fitondrana avokoa izay voatendry na voafidy hatramin’izao. Tsy ilaina resahina intsony ny governora any amin’ny Faritra telo ambin’ny roapolo, izay manjaka tokana, ka mifehy na dia ny olomboafidy toy ny ben’ny tanàna sy solombavambahoaka aza. Araka izany dia tsapa fa toy ny mpanjaka no mitondra eto Madagasikara, ka tompomenakely avokoa ny rehetra any amin’ny rafi-pitantanana rehetra mijoro. Porofon’izany dia ny filohan’ny Repoblika hatrany no manana ny teny farany amin’izay ataon’ny rafitra rehetra.

Eran’izao tontolo izao dia fahefana fahaefatra ny fanaovan-gazety, kanefa eto amin’ity Firenena ity dia efa eo ambany vahohon’ny mpitondrana izao ny Holafitry ny Mpanao Gazety Malagasy (OJM), satria mpiasam-panjakana ary kandidàm-panjakana tokana no nanaovana latsa-bato ka lany. Ankoatr’izany dia tsy voafehin’ny lalàna mihitsy Rajoelina Andry, ka manao fampielezan-kevitra sahady roa taona mialohan’ny tokony hanaovana izany, kanefa tsy manan-kambara ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana manoloana izany.

Ny manahirana amin’izao fitondrana izao dia tsy fantatra mihitsy izay programan’asa entiny hampandrosoana ny Firenena. Tsy misy fantatra mazava na ny IEM na ny PEM na Plan Marshall na PGE na ny velirano teloambinifolo no tanterahana, ka lokoina volomboasary ny sekoly fanabeazana fototra iray efa misy na ny toeram-pitsaboana iray dia tokanana dia mahatsangana fotodrafitrasa, hono, ka efa mandroso ny Firenena, fa ny jamba na ny minia mikimpy no tsy mahita ireo asa vitan’ny fitondrana hoy izy ireo. Misy anefa ireo fotodrafitrasa natsangan’ny fitondrana teo aloha dia tsy mety tokanana, anisan’ireny ny seranam-piaramanidina etsy Ivato, sy ny Tobin’ny fiara taksibrosy etsy Ambohimanambola, izay odiana tsy fantatra mihitsy ny fisiany.

Tetezin-dRajoelina Andry indray ireo Faritra nanaovany rediredy tato ho ato, ka anisan’izany ny any amin’ny Faritra SAVA nampanantenainy indray, fa tsy maintsy dimy arivo sy fito alina indray ny vidin’ny lavanila maintso. Varotra ato anatiny izany ka, angamba, ho tanteraka ihany fa ny vidiny eo amin’ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena kosa dia tsy sahy namerina ny vidiny hampiakarina avo telo heny intsony izy. Dia fety be nisy afomanga indray no nentin-dRajoelina Andry nanambatambazana ny tantsaha mpisehatra amin’ny lavanila, ka asa raha hampiova inona izany. Kabary zato, teny arivo fa iray ihany no marina, ka azo inoana fa tsy ho jamban’ny patsa indray mahandro intsony ny olompirenena Malagasy rehetra.